|

Fisaorana
Nahafinaritra dia nahafinaritra tokoa ny nahita ireo ankizy sy tanora nandray anjara tamin'ny
fotoam-pivavahana omaly alahady 25 Aprily 2004. Marihina etoana fa fiaraha-mivavaka nokarakarain'ny ankizy sy ny
tanora araka ny efa voalaza, ary finaritra tokoa ireo lehibe nahita ny fahavitrian'ireto ho avy ny malagasy aty Canada.
Noho izany dia misaotra azy ireo isika fiangonana amin'ny zava-bitany sy ny mbola ho ataony amin'ny fampandrosoana
ny asan'Andriamanitra. Isaorana manokana:
- Ny mpandrindra : Josoa Randrianaly
- Ny nitarika fotoana : Rivo Raveloson
- Ny nitondra ny Tenin'Andriamanitra : Lova Ramboarisata
- Mpitendry orga : Tiana Rabezandriny
- Ireo namaky Teny : Juste sy Salohy
- Ireo ankizy kely nanafàna ny fotoam-pivavahana tamin'ny alalan'ny hira
- Nikarakara ny fandraisana : Stéphanie Ralijaona
Dia misaotra azy ireo, ary manantena ireo ankizy sy tanora hafa mba hanatevin-daharana azy ireo amin'ny manaraka

04-05 Setptambra 2004 - Fihaonambe faharoa
Nisy fivoriambe izay nokarakaraina tany
New-York ny 11-12 Oktobra 2003 lasa teo. Ny anton'izany fihaonambe
izany dia ny mba hifandraisan'ny mpianakavin'ny finoana kristianina
malagasy bebe kokoa aty Amerika Avaratra. Nahafinaritra dia
nahafinaritra tokoa izany ambohi-pihaonan'ny malagasy kristianina
izany. Nanana hetaheta ny rehetra izay nanatrika io fihaonambe
io, koa nanapa-kevitra ny hitoizan'izany mandrakariva satria
zava-dehibe tokoa amin-tsika malagasy izany firaisana ao amin'ny
Tompo eo amin'ny samy malagasy izany. Ny malagasy aty Canada
no nosafidiana mba hampiantrano ny fihaonambe faharoa izay ho
atao ny 04-05 Septambra 2004...

Paska 2004
- Fanampiana an'i Madagascar
Toy ny fanaon-tsika isan-taona dia ny
Fiangonana Katolika Malagasy eto Canada no mikarakara ny fotoam-pivavahan'ny
Paska izay marihina etoana fa manana endrika firaisam-pinoana
tanteraka. Koa Ny fiangonana malagasy eto Canada, katolika sy
protestanta, dia faly manasa antsika malagasy tsy an-kanavaka
hiara-mankalaza ny fetin'ny Paska, izay andro lehibe tokoa ho
antsika kristianina, ny Alahady 11 Aprily 2004 amin'ny 11 ora
marina ao amin'ny fiangonana St-Jean de Matha, 6831, rue Aragon,
Métro MONK...
Angamba samy mahafantatra ny voina nahazo
an'i Madagascar daholo isika malagasy tsirairay avy monina aty
Canada. Tsy mety ny hijery fotsiny izany loza nahazo ny firenena
izany. Koa natokana ihany koa ny fankalazana ny fetin'ny Paska
mba hanaovana hetsika ho fandraisana anjara amin'izany voina
nahazo ny tanindrazana izany, ary koa indrindra indrindra natokana
hitrotrona amim-bavaka ny firenena... 
|