FPMA NANCY TORITENY
FPMA TAFO NANCY
FILOHA : RANDRIHARIVELO Mamy-Hery 5 Allée de ROTTERDAM 54500 VANDOEUVRE-LES-NANCY
MPITANDRINA : RAFENONIRINA Laza 47 Bis rue de NABECOR 54000 NANCY
FIANGONANA ANTOKO MPIHIRA VONDROM-BAVAKA VAOVAO TORITENY

OMEO HO AN'I KAISARA....ARY OMEO HO AN'ANDRIAMANITRA...

Teny hovakiana Matio, toko 22, and 15 - and 22

Raha fitinina izy ity dia azo lazaina toy izao : nikasa hamandrika an'i Jesosy ireto fariseo, kinanjo ry zareo indray no indro babo, babon'ny fampianaran'i Jesosy ! Hoy ny filazanan'i Matio : " nony nahare ny mpiantry ny fariseo dia gaga ". Ny teny hoe gaga eto dia mitovy amin'ny teny hilazana hoe émerveillé. Mazava mantsy ny valin-teny nomen'i Jesosy ho azy : aloavy ho an'ny Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay ho an'Andriamanitra.

Gaga ny fariseo amin'izany valintenin'ny Tompo izany. Ny fariseo moa dia olona mpivavaka tokoa. Maro ry zareo tamin'ny andron'i Jesosy. Ny fankatoavany sy ny fanompoany an' Andriamanitra dia miantehetra amin'ny fantanterahana ny lalàna. Ary raha ilaina dia asiany zana-dalàna maro karazana mba ho marina sy tanterakany hatrany ry zareo eo anatrehan'Andriamanitra. Ny fariseo dia mino sy mihevitra fa ny olona dia afaka manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Diso-panara-dalana ireto jiosy ireto ka hadinony fa ny Andriamanitra hinoany dia Andriamanitra be famindram-po. Hialany ireo olona tsy afaka manaraka ny lalàna toy ny fanaony. Tsy tantiny ny fampianaran'i Jesosy raha milaza izy fa 2 ihany ny lalàna, raha miantso an'Andriamanitra hoe Abba-Ray izy, raha miara-komana amin'ireo olona tsy mankato ny lalan'Andriamanitra ny Tompo, raha mamela heloka sy manao asa fanasitranana rehefa andro sabata izy. Aminy ny fandoavana vola hetra ho an'i Kaisara dia midika ny fanekena fa izy ny tompon'ny tany sy ny zava-drehetra. Izany hevitra izany anefa dia tsipahany tokoa satria i Iaveh irery no tompon'ny rehetra. Tsarovy ny teny novakiantsika tao amin'ny bokin'i Isaia teo : " izaho no Jehovah fa tsy misy hafa …dia izao izay mamorona ..sy mahary. Izaho Jehovah no maanao izany rehetra izany. " Eto amin'ity tantara ity anefa dia gaga ry zareo amin'ny teny lazain'ny Tompo : voasokajin'i Jesosy mazava fa misy fanjakana samy hafa : ny an'i Kaisara ary ny an'Andriamanitra Rainy.

Aloavy ho an'ny Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Na isika aza dia mety ho gaga raha mihaino izany teny izany. Raha fantatra fa farantsakely no misy ny sarin'ny kaisara midika fa haverina aminy ny azy, inona kosa ny zavatra raisintsika avy amin'Andriamanitra mila haverina aminy ? Inona marina no hisarihin'i Jesosy ny fihevitry ny mpihaino azy eto momba an'Andriamanitra? Rehefa milaza izy hoe " an'Andrimanitra " moa tsy milaza fa misy zavatra omen'Andriamanitra ? Inona re no omeny ? Iza re no omeny ? Ho atao inona ny zavatra omeny ? Aty amin'ny tany mandroso izay hiainantsika dia matetika hadino ny mihevitra ny zavatra hananana satria variana mitanisa ny zavatra tsy eo am-pelatanana, ary miaraka amin'izay dia tsy heverina akory hoe avy aiza avokoa ireto zavatra eo am-pelan-tanana ireto ary tsy asiana lanjany velively izy ireo! Koa amin'ny zavatra rehetra izay lazaina fa antsika, inona no avy amin'Andriamanitra. Misy ny hilaza hoe : ny zava-drehetra ; misy kosa ny hamaly hoe : tsinotsinona. Misy zavatra iray raisintsika avy amin'Andriamanitra : dia ny endrika aman- tarehy. Hoy Gen 1,26 : " andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika sy araka ny tarehintsika ". Marina fa voaporofo ara-tsiansa fa ny tarehy sy bikabika dia tahafina avy amin'ny ray sy reny sy ireo razambe. Kanefa tamim-boalohany dia ny endrik'Andriamanitra no nomeny antsika olom-belona. Fanampiny izany, dia omeny ny olona ny fahefana hanjaka amin'ny zava-boariny. Miaraka sy mifameno ireo fanomezana roa ireo : endrika sy tarehy ary fahefana. Rehefa lazaina fa Andriamanitra mamela heloka, dia fahefana hanolotra famelan-keloka no endrika sy tarehy hitehirizana sy hitaizana ny zava-boarin'Andriamanitra. Rehefa ekena fa Andriamanitra dia fitiavana, dia fahefan'ny fitiavana no handrafetantsika ny endrintsika sy ny tarehintsika eo anatrehany sy eo anatrehan'ny voa-ary. Satria Andriamanitry ny fiadanana dia fahefana mikatsaka fiadanana no endrika sy tarehy mitory fiadanana no hampiavanana izao ary rehetra izao. Noho izany, endrika sy tarehy manao ahoana no atodintsika amin'Andriamanitra ? moa mitaratra marina ny fitoviana aminy isika sa mitaratra ny sitrapontsika ?

Ny zavatra faharoa izay raisintika avy amin'Andriamanitra dia Jesosy ! Jesosy no " endrik'Andriamanitra tsy hita " hoy Paoly raha manoratra ho an'ny kolosiana. Inona marina moa no raisintsika, no raisinao, no raisinko ao amin'i Jesosy ? Ao aminy isika dia voarafitra araka ny endrik'Andriamanitra tokoa. Ao aminy isika dia mandray ireo fanomezana sarobidy toy ny fiadanana sy ny fihavanana voalaza tetsy ambony : Amin'ny alalan'ny teny fiainana atolony, Amin'ny alalan'ny teny manome fiainana, Amin'ny alalan'ny teny avy amin'Andriamanitra izay manafaka amin'ny rehetra mamono, Amin'ny alalan'ny teny avy amin'Andriamanitra izay tonga nofo ka tonga manolotra fanafahana antsika hitia ny hafa sy Andriamanitra sy hanolotra fitiavana ho an'Andriamanitra sy ho an'ny hafa. Izany fiainana afaka izany no hiantsoan'i Jesosy antsika ho atolotra ho an'ny hafa sy ho an'Andriamanitra. Mirakitra zavatra maro izany fiainana afaka sy nafahana atolotry Jesosy izany satria manam-karem-pahasoavana ilay Andriamanitra Tokana hianteherantsika ary izany arena izany no raisintsika avy aminy. Koa aoka isika ho gaga toy ny fariseo izao maraina izao, aoka ho émerveillés, ho babon'i Kristy ny fontsika, miaiky tokoa fa fanomezana sarobidy no raisintsika avy aminy ka iombo-kira amin'ny mpanao Salamo raha mihira ny Sal 8 :

Inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy ?

Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy

Ary efa nosatrohinao voninahitra sy fiandrianana

Efa nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao izy !

Omen'Andriamanitra toeran-dehibe ny olona ao am-pony ary omeny ho azy hatramin'ireo attributs izay voatokana ho azy Andriamanitra. Eto amin'ity Salamo ity dia ny voninahitra sy ny fiandrianana ( éclat !) izany attributs zaraina'Andriamanitra amintsika izany. Safidin'izy Andriamanitra irery izany. Ny fikatsahana ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra dia ny lalam-pitiavana , ary izany no tian'i Jesosy lazaina an'ireto fariseo sy ny mpianany : tsy misy lalàna manafaka ka ahitana an'Andriamanitra satria ny lalàna dia mianpanga foana. Ao amin'i Jesosy kosa isika no afaka manatanteraka ny lalàna satria Jesosy no lalana tokana ahatongavana ao amin'Andriamanitra Ray. Anio raha vonona izao fanasana izao : indro Jesosy, mofon'aina ary ran'ny fanekena ho an'ny maro ho famelan-keloka eo am-baravaran'ny fo; indro Jesosy mandondona. Mihainòa ny feony mibitsika sy miritsoka ao am-pontsika. Voahay ny varavarana mba hidirany hiara-hisakafo, hidirany hanolotra ny endrika sy ny tarehin'Andriamanitra. Andriamanitra Ray anie hanaitra mandrakariva ny tenantsika manontolo ho gaga amin'ireo teny mamy omeny sy ho émerveillés tsy tapaka raha miara-dalana isan'andro amin'i Jesosy izay Endriny sy miaraka amin'ny Fanahiny manolotra tsy tapaka ho an'Andriamanitra ireo rehetra raisina avy aminy. Amena.

RASOLOFOTSALAMA Mireille

Mpitandrina Mpandrindra

Faritany Avaratra Atsinanana

 

BARTIMEO JAMBA


TENY HO VAKIANA (Marka 10 : 46-52)

Ny mampiavaka a'i Marka amin'ny mpanoratra ny filazantsara hafa, dia ny fahaizany mandinidinika ny zava-miseho manodidina azy, sy ny fahakingany mandahatra izany amin'ny an-tsipirihany, mba hamboatra tantara velona, tantara manintona, tantara hahatakaran'ny mpamaky sy ny mpihaino avy hatrany, izay hevitra tiany ho takatr'izy ireo.

Niharihary izany tamin'ny famakiantsika ny Filazantsarany teo ! Tantara velona ! Tantara manintona ! Tantara mifono hevi-dalina !

Tao Jeriko no nisehoan'ny tantara ! Jeriko ! Araka ny fikarohana nataon'ny archéologues dia Jeriko no tanàna tranainy indrindra, Jeriko no tanàna antitra indrindra eto amin'izao tontolo izao. 7800 taona talohan'i Jesoa Kristy, hono, no efa nisiany.

Jeriko koa no tanàna ambany toerana indrindra, Jeriko no tanàna iva indrindra eto ambonin'ny tany: 250 metatra ambanin'ny "niveau"-n'ny ranomasina no iorenany.

Jeriko koa no ilay voalazan'ny Baiboly fa tanàna tsy maintsy niadian'ny zanak'Israely, raha hiditra tao amin'ny tany Kanàna izy. Ny fandrodanana ny mandan'i Jeriko no nanamarika ny fahatanterahan'ny Teny Fikasana, izay nampanantenan'Andriamanitra azy ireo an'i Palestina.

Jeriko ! Tanànan'ny volana ! Izany no dikan'ny teny hebreo hoe Jeriko ! Inoana fa ny antony nanomezana azy izany anarana izany, dia ho fahatsiarovana ny nivavahana sy ny nanompoan'ny mponina tao ny andriamanitry ny alina, tany aloha ela be tany.

Tao Jeriko no nanatanterahan'i Jesoa izao fahagagana resahantsika eto izao, dia ny famantarana farany nataony fony Izy nidina tety an-tany namangy izao tontolo izao. Tao no nandreseny ny alina mikitroka izay nanidy ilay jamba nitady vonjy Taminy. Tao no nisehoany tamin'ny maha-fahazavan'izao tontolo izao sy maha-fanazavana ny olona Azy. Jesoa ! Fahazavana mandroaka ny aizina !

Hevitra telo lehibe no asehon'ny Marka eto. Izany koa no hanankinana ny hafatry ny Filazantsara toriana amintsika anio ! Voalohany: Jesoa fahazavana dia mamirapiratra ao amin'ny maizina, fa ny maizina tsy nandray Azy (Jao 1: 5)! Faharoa: Jesoa fahazavana dia mampahiratra n'izay manatona Azy mba hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava (Asa 26: 18) ! Ary fahatelo: Jesoa fahazavana dia maniraka ny mpianany hitarika ny olona ho eo Aminy !

Voalohany ary ! Jesoa fahazavana dia mamirapiratra ao amin'ny maizina fa ny maizina tsy nandray Azy !

Jaona, ao amin'ny fitarihan-tenin'ny Filazantsarany, dia milaza fa rakotra aizina izao tontolo izao. Ary ao anatin'izany aizin'izao tontolo izao izany, no itsofohan'i Jesoa, mba hamirapiratan'ny fahazavany. Miharihary izany amin'ireto olona mihaohao manaraka an'i Jesoa ao Jeriko ireto. "Ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka…", (46) hoy ny fitantaran'i Marka. Sesehena ny olona manaraka an'i Jesoa eto. Raha iverenana anefa ny fitantaran'i Marka ny amin'ireto vahoaka sesehena manodidina an'i Jesoa ireto, talohan'izao fotoana atrehantsika eto izao, dia ho hitantsika fa tena jamba mirepirepy ao anaty aizina tokoa izy rehetra. Fa izy ireto manaraka an'i Jesoa ireto anie, na dia efa nanambaran'i Jesoa in-telo ny amin'ny tsy maintsy hamonoana Azy amin'ny Hazo Fijaliana aza (8: 31; 9: 31; 10: 34), dia mbola nanonofinofy voninahitra sy laza ara-nofo ihany e ! "Mba ekeo, hoy Jakoba sy Jaona, ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao" (10: 37). "Tsy fantatrareo izay angatahinareo", hoy Jesoa. Mpianatra jamba, miraparapa ao anaty aizina. " Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina, fa ny maizina tsy mandray azy " (Jao 1 : 5). Jamba avokoa, na ny vahoaka, na ny mpianatra. Nanarakaraka an'i Jesoa fotsiny izy, fa tsy nisy azony ny fampianaran'i Jesoa. Niteny tamin'ny rivotra fotsiny Jesoa, raha nanambara hoe : " Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy ; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko sy ny Filazantsara dia hamonjy izany " (8 : 35). Ilaina, hoy Jesoa ny hanoloranao ny ainao ! Tsy nisy azony izay tian'i Jesoa nolazaina tamin'izany. Dia ahoana koa, hoy Jesoa ? "Fa raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompon'izy rehetra izy" (9: 35). Aza miady ho lohany, fa miadia ny rambony ! Angaha izany nisy azony, na kely akory aza ? "Raha ny tananao no manafintohina anao, hoy Jesoa, dia tapaho izy. Raha ny tongotrao no manafintohina anao, dia tapaho koa izy. Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy" (9: 43-47). Loaro iala ny masonao, tapaho ny tananao, tapaho ny tongotrao, mba tsy hanotanao. Maizina tamin'ny olona daholo izany ! Dia ahoana koa ? "Amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo" (10: 21). Tsy raikitra izany ? Tsy misy hevitra ! Dia ahoana koa ? "Misotro ny kapoaka isotroako, hoy Jesoa, Jesoa, ary atao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa" (10: 38). Inona no dikan'izany ? Manaiky hiara-maty amin'i Jesoa ! Tena tsy lasa izany ! Niroitra nanaraka an'i Jesoa daholo, na ny mpianany, na ny vahoaka, nefa tsy nisy nandray ny fampianarany ! "Ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina, fa ny maizina tsy nandray Azy" (Jao1: 5). Mampiseho izany ny nialan'ireo mpianatra ireo tamin'i Jesoa, ka nilazany hoe: "Sarotra izany, iza no mahaino izany ?" Rehefa notsaraina Jesoa, dia izy ireo no niantsoantso hoe: "Homboy ! Homboy amin'ny Hazo Filaliana Izy !". Ary ny Apostoly? Mitovy tsy misy valaka amin'ny nataon'ny mpianatra sisa sy ny vahoaka ihany ny nataony ! Ry Petera nandà ny Tompo, ry Jodasy namadika Azy ! Ny ambiny rehetra tsy nisy hita fa nandositra avokoa, rehefa nosamborina Jesosy.

Dia hoy isika hoe: Mba lalina tokoa izany ! Tena nanaranara-poana an'i Jesoa tokoa, ry zalahy, fa tsy nandray na inona na inona mihitsy ! Saingy ! Andraso kely ! Aza maika mitsara, fa diniho ny fiainantsika, diniho ny fanarahantsika ny Tompo ! Eny e ! Tsy ny fanarahan'ny mpino namantsika ny Tompo, fa ny fanarahantsika Azy ! Isika mantsy dia tena mahadinidinika ny fiainan'ny hafa mihitsy, fa tsy mahay mijery ny fiainantsika ! Aza manao hoe: manao ahoana ny fomba fiasan-dry Ranona ao ananona ao ? Na inona no tokony hataon-dry Ranona nefa tsy vitany ? Na inona avy ny fahalemen-dry Ranona ?… Tena mora mihitsy ny manao izany, satria gratuit ! Azo atsoatsoana foana ny vava, fa tsy andoavana patanty !

Fa andeha ny tenako no jereko ! Andeha ny fiainako no dinihiko ! Andeha ny fanarahako ny Tompo no fakafakaiko ! Manao ahoana ny fitadiavako voninahitra sy laza ? Midehedehaka mihitsy ! Tsy misy tahaka ahy ! Manao ahoana ny fanolorako ny tenako sy ny fanolorako ny aiko hanompo ao amin'ny Fiangonana sy hanao ny asan'Andriamanitra ? Tena kely fitia mora sampona ! Izay angatahana ataoko, laviko avokoa; ary na mba manaiky aza aho indraindray, tsy menatra akory mivadika ny fanekeko ! Tsy azo ametrahana na inona na inona ! Tsy afaka lava ! Manao ahoana ny fitiavako ny ho voalohany hatrany ? Te-hitarika foana! Te- ho eny aloha foana ! Tsy ahitana fanetren-tena na fandeferana ! Tsy manaiky ho tarihina ! Manao ahoana ny finihavako handositra fahotana, ka hiambenako ny masoko sy ny tanako ary ny tongotra tsy hirosoroso foana any amin'ny asa-matin'izao tontolo izao ? Tsy mahay mifehy tena ! Tsy manana fahononana ! Manao ahoana ny fahalalahan-tanako hanolotra ny volako sy ny fananako hampiasaina amin'ny asan'Andriamanitra ? Ny ahy kosa io tsy omeko, fa lafo be ny nividianako azy ! Izaho aloha, tsy manome mihitsy, raha tsy izaho no manaraka ny ahy any amin'izay toerana ampiasana azy e ! Foroniko daholo io antony tsy misy mitombina rehetra io, mba tsy hanomezako ny fananako hanompoan'ny Fiangonana an'Adriamanitra ! Manao ahoana ny fanekeko hitondra ny Hazo Fijaliana sy hiara-maty amin'ny Tompo, noho ny fahotako ? Sarotra izany koa ! Ny ahy io no mba fahalemeko !

Maizina ao anatin'izao tontolo izao ! Tsy mandray ny mazava ! Eo isika vao gaga, fa hay tena tsy vitatsika tokoa ny nanaraka ny Tompo, araka ny tiany hanarahana Azy ? Tsy mora ny manaraka ny Tompo ! Eny, ry havana ! Sarotra ny mandray ny fahazavan'ny Tompo ! Impossible ny manaraka an'i Jesoa, raha ny maha-olombelona antsika fotsiny no itokisatsika hanaovana izany !

Maizina tokoa izao tontolo izao, ary isika dia voarakotr'izany aizina izany. Ao anatin'izany aizina izany anefa no mamirapiratra ny fahazavan'i Jesoa. Saingy tsy misy olona afaka handray izany fahazavana izany, tsy misy olona afaka hanaraka ny Mazava, raha ny herin'ny tenany fotsiny no itokisany ! Raha tsy resy lahatra ny amin'izany isika, dia tsy afaka handroso marina amin'ny tena fanarahana ny Tompo sy ny fandraisana ny fahazavany.

Ary indray ! Jesoa fahazavana dia mampahiratra ny mason'izay manatona Azy, mba hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava

"Nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'I Timeo" (46), hoy Marka. Eran'izao tontolo izao, indrindra moa fa tany amin'ny tany tatsinanana, fony mbola tsy nisy ny fomba famakian-teny antsoina hoe "méthode de lecture Braille", izay ahafahan'ny jamba mamaky teny amin'ny alalan'ny tanany, talohan'ny nahafahan'ny jamba namaky teny, dia tsy afaka nanao na inona na inona afa-tsy nangataka ny jamba. Ao amin'ny Soratra Masina, ny fahajambana dia entina milaza ny fahantran'ny olona tsy manan-kianteherana afa-tsy ny heriny fotsiny ihany. Fa inona moa ny jamba ? Ny jamba an ?: olo-mahantra tsy manana ny maha-izy azy: ny maso mitakikitra ao anaty aizina, ny tongotra tsy manao afa-tsy ny miforotra mba hahafahana mipetraka, satria tsy afaka hanao na inona na inona ts'inona na hitsangana aza ! ny tanana mitsotra, mitady vonjy mandrakariva. Ny jamba ? Olona tsy afa-mandeha irery ! Miankin-dava amin'ny hafa ! Mahantra indrindra raha samy olona !

Izany ny amin'ilay jamba ! Eto dia malahelo aho handiso fanantenana anao ! Malahelo aho hilaza aminao, fa ianao io jamba io ! Ianao io olo-mahantra io ! Ianao io mpangataka io ! Izaho koa io ! Eny, isika io ! Isika izay mihevitra antsika ho mahiratra !

Bartimeo no anarany ! Timeo no anaran-drainy ! Manambara izany fa fantatry ny olona izy ! Indrindra moa, rehefa avy nampahiratin'i Jesoa ! Fantatr'i Jesosy koa izy ! Manambara inona izany ? Manambara ny fahafantaran'Adriamanitra antsika izany. Fantatr'Adriamanitra amin'ny anarako aho ! Fantatr'Andriamanitra amin'ny anaranao ianao ! Rakoto jamba ô ! Randria jamba ô ! Rabe jamba ô ! Rasoa jamba ô ! Ravao jamba ô ! Ramavo jamba ô ! Tian'i Jesoa ianao, ary ny fitiavany anao dia tsy fitiavana gaboraraka anaforany anao ao anatin'ny vahoaka, fa fitiavana mivantana aminao, fitiavana tiany ifamatorana aminao ! "Aza matahotra, hoy ny Tompo, efa niantso ny anaranao Aho".

Ahoana ny tohin'ny tantara ? "Ary nony reny fa injay Jesoa avy any Nazareta, dia niantso izy" (47). Iarahantsika mahalala fa ny sofin'ny jamba dia malady dia malady, raha miohatra amin'ny fandrenesan'ny olona mahiratra. Tsy maintsy efa ren'ny sofin'i Bartimeo jamba ny lazan'izany Jesoa avy any Nazareta, mahay manasitrana izany ! Tsy mbola nahita ny endrik'i Jesoa mihitsy izy ! Jamba moa ! Saingy ny olona efa nahafantatra an'i Jesoa no niresaka Azy taminy. Hatramin'izay fotoana izay dia tsy nitsahatra ny nanantena ny fandalovan'i Jesoa tao Jeriko I Bartimeo ! Kanjo, anio, dia reny fa tonga ao an-tanàna tokoa Jesoa. Rehefa nipetraka nangataka teo am-bavahadin'ny tanànan' Jeriko teo izy, dia nandre olona maro mandalo sady miresaka ny amin'ny fandalovan'i Jesoa ao an-tanàna, eo amin'ny lalana ipetrahany indrindra.

Isika koa, ry havana, dia mitovy amin'i Bartimeo jamba. Tsy mbola nahita ny endriky ny Tompo isika, nefa noho ny finoantsika, dia mifikitra amin'ny fitantaran'ireo efa mahalala Azy ! Dia miandry Azy isika ! Kanjo anio dia anio, mandalo eto Jesoa ! Anio dia anio, afaka hahita Azy isika ! "Dia niantso Bartimeo ka nanao hoe: Ry Jesoa Zanak'I Davida ô ! mamindrà fo amiko" (47). Tao anatin'ny fikitrohan'ny aizina niainany, no nibosesehan'ilay fanantenana nokoboniny tao an-tratrany hatramin'izay, hivoaka hanjary antsoantso, hivoaka hanjary kiakiaka, hivoaka hanjary vavaka ! Tarazo fanaon'ny moines mpitoka-monina tany amin'ny Fiangonana tany atsinanana, hono, ny manamasina ny tenany amin'ny famerimberenana ny vavaka nataon'i Bartimeo, dia ny teny roa fotsiny manao hoe: "Jesoa ! Mamindrà fo ! Jesoa ! Mamindrà fo ! Jesoa ! Mamindrà fo !" Ora maro no laniany iainana miaraka amin'i Jesoa amin'izany vavaka tsotra dia tsotra izany !

Izany koa no hafatry ny Filazantsara ho antsika anio: Mianara mivavaka miaraka amin'ny fiainana amin'i Jesoa, tahaka ny iainana amin'ny rivotra: Jesoa ô ! mamindrà fo amiko ! Ry Zanak'I Davida ô ! mamindrà fo amiko ! Jesoa ô ! mamindrà fo amiko !

Eo anatrehan'ny antso vonjy sy kiakam-panantenana toy izany, dia tsy afaka mipetrapetraka Jesoa ! Tsy mbola nisy olona nametraka ny fanantenany Taminy, ka diso fanantenana ! "Izay manatona Ahy, hoy Izy, dia tsy mba ho laviko mihitsy", hoy Izy. Mampiseho izany izay ataony eto ! Nampanatsoiny i Bartimeo jamba ! Teo no ho eo ihany dia nanary ny lambany Bartimeo ka niantsambotra nankeo amin'i Jesoa ! (50). Amintsika malagasy dia ny adala no manary lamba. Ao amin'ny Baiboly kosa, ny lamba na ny kapoty isaloran'ny olona dia mariky ny heriny sy ny fahamboniany (I Sam 18: 4; 24: 6; II Mpan 2: 14; Rota 3: 9). Ny fanendren'ny marary ny lamban'i Jesosy dia nahasitrana azy ireny (Mar 5: 27; 6: 56). Araka izany, ny fanarian'i Bartimeo ny lambany dia milaza ny fanapahan-keviny sy ny fahavononany hanapaka tarangana izay rehetra mamatotra azy amin'ny fiainany lasa, mba hahafahany mahazo ilay lamba fotsy itsenan'Andriamanitra azy. Toy izany koa no nataon'ireo kristiana nanolo-tena hatao Batisa tamin'ny andron'i Marka. Manala ny lamba nitafiany, izay misolitiky ny lotom-pahotana, sy rotidrotiky ny vahohon'I Satana izy, ary mandray ny lamba vaovaon'ny fahamarinan'I Jesoa hisalorany.

Antsoin'i Jesoa koa isika anio mba hanaiky hiala amin'ny lasa namatotra antsika tao amin'ny aizina, ka hanatona Azy. Tsy ho vitantsika izany, hoy isika tery aloha, raha ny herintsika fotsiny no iankinantsika ! Saingy eto dia Jesoa no miantso ! Ary rehefa manatona Azy isika dia anontaniany.

Ahoana, hoy Izy, tamin'ilay jamba ? "Inona no tianao hataoko aminao ?" (51). Mahagaga antsika ihany angamba izany fanontaniana izany ? Toa atsafain'i Jesoa indray i Bartimeo rehefa nanatona Azy? Toa marina izany fanamarihana izany, raha mijanona fotsiny amin'ny fanafosafoana ny tantara, fa tsy manakatra izay tena tian'i Jesoa hambara ! Tena fantatr'i Jesoa tsara tokoa izay andrasan'i Bartimeo jamba taminy ! Saingy, tahaka ny olona manatona an'Andriamanitra amin'ny fanaovam-batisa, dia takian'i Jesoa ny anambarany ny finoany ! Tsy nisalasala kosa Bartimeo namaly hoe: "Rabony ô ! Ny mba hampahiratana ny masoko".

Ny Batisa tamin'ny andron'i Marka dia nantsoina hoe: " L'Illumination ", ny sakramentan'ny fisokafan'ny maso ! Izany hetahetam-batisa izany no tian'I Marka haseho amin'ny fitantarany ny fangatahan'i Bartimeo eto: Rabony ô, Ataovy mahita aho ! Sokafy ny masoko, Tompo ô, mba tsy itoerako ao anatin'ny maizina intsony ! Dia ahoana no navalin'I Jesosy izany fanirian'i Bartimeo izany? "Ary hoy Jesoa taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'I Jesoa teny an-dalana izy" (52). Zavatra tokana ihany no mahamaika an'i Jesoa homena izay manatona Azy, dia ny fanafahana azy amin'ny fahamaizinana, mba hahitany ny mazava. Raha hambara amin'ny teny tokana izany dia tsy inona fa ny famonjena.

Izay tsy hain'ny olona hatao amin'ny herin'ny tenany fotsiny, dia manjary tanteraka, rehefa manatona an'i Jesoa izy. Lasa possible ny impossible ! Inona moa izany impossible lasa possible izany ? Ny fanarahana an'i Jesoa fahazavana. Rehefa tapa-kevitra hanatona ny Tompo marina isika, ka mangataka Aminy, amin'ny finoana, ny hampahiratany ny masontsika jamba ao anaty fahamaizinana, dia mitsena ny hetahetantsika Izy, mamaly vavaka antsika Izy, ka manokatra ny masom-panahintsika, mba hahitantsika Azy, dia Izy sy ny famirapiratan'ny fahazavany mahagaga.

Anisan'ny vavaka nampianarin'ny ray aman-dreninay anay fony kely, vavaka atao amin'ny fanompoam-pivavahana iraisan'ny mpianakavy amin'ny alina, ny fangatahana nataon'ireo mpianatra roa lahy nankany Emaosy tamin'i Jesosy manao hoe: "Mitoera aty aminay, fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro !" (Lio 24: 29). Rehefa antsoina hiditra ao an-trano Jesoa, mba tsy hahafanan'ny aizin'ny alina handrakotra ny fiainana, dia tonga mampamirapiratra ny fahazavany ao an-tokantrano Izy. "Dia nahiratra ny mason'ireo, hoy Lioka, ka nahalala Azy". Nandray an'I Jesoa tao an-tokantranony ireo mpianatra roa nankany Emaosy, dia nampahiratin'i Jesoa ny masony, mba hahalalany Azy.

Ny fanarahana ny Tompo, ry havana, dia mila ny fihaonana marina Aminy, mila ny fampiantranoana Azy, mila ny famelana Azy hanokatra ny masom-panahintsika, mba hahitantsika ny famirapiratan'ny fahazavany. Anio, raha te-hanaraka ny Tompo marina ianao, dia antsoy Izy mba hihaonanao Aminy. Fa hampahiratra ny masonao jamba Izy, mba hahitanao ny famirapiratry ny tavany eo anoloanao. Izany ihany no ahafahanao mikiakam-pifaliana hoe: "Efa nahita ny Tompo aho ! Efa nahita ny hatsarany aho, ka tsy hiala Aminy intsony, tsy hiverina amin'ny fambaboan'ny aizina ahy teo aloha intsony. Hifikitra Aminy aho ! Hanaraka Azy aho amin'ny androko rehetra !"

Farany ! Jesosy fahazavana dia maniraka ny mpianany hitarika ny olona ho eo Aminy.

"Ary Jesosy nijanona dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba !" (49). Antsoy ilay jamba ! Teny kely monja ! Teny indraim-bava ihany ! Izany no mba teny nolazain'I Jesoa tamin'ny mpianany, ao anatin'ity tantara izay azo lazaina ho lavalava ihany ity. Teny fohy, nefa mifono hevitra mafonja ! Teny fohy, nefa manana ny lanjany manokana eo amin'ny tantaran'ny famonjena. Hitantsika eto, fa na dia fohy aza izany teny izany, dia tsy mba teny notenitenenin'i Jesosy maimaika teny an-dalana, fa nakany fotoana mihitsy ny nitenenany azy. Voalazan'I Marka, fa nampiantona ny diany Jesoa, nijanona mihitsy aloha Izy, vao nilaza hoe: Antsoy ilay jamba.

Antsoy ilay jamba ! asain'I Jesoa mampita ny antsony amin'ilay jamba ny mpianany. Asainy mampita ny antsony amin'ny madinika. Mila olona Jesoa, eny, amin'ny alalan'ny Fiangonana no tiany hikarakarana ny madinika. Ary ny Fiangonana dia tsy iza fa izaho sy ianao ! Ny Fiangonana dia tsy iza fa isika mianakavy izao.

Mba mihaino ny antsoantso sy ny kiakiaka ataon'ny olona manodidina anao ve ianao ? Mba mampita ny antson'i Jesoa amin'izy ireny ve ianao, mba hahafahan'izy ireo hiantsambotsmbotra hankeo amin'I Jesoa ? Iadian-kevitra mandrakariva ny tokony ho andraikitry ny Fiangonana eo anivon'izao tontolo izao. Raha mandinika ity tantara ity anefa isika, dia hahatsapa fa tokana ihany ny asa-iraka ampanaovin'ny Tompo ny Fiangonana, dia izao: Antsoy ilay jamba ! Henoy ny antsoantson'izao tontolo izao mitady famonjena, dia ento ho eo amin'I Jesoa izy. Mila anao hampahery azy ny madiniky ny Tompo. Mila anao hanambara aminy hoe: "Matokia, mitsangana, miantso anao Izy !" (49). Araka ny fikarohana nataon'ny mpanao hevi-teny, ny tena hevitry ny teny grika, izay nadika eto hoe: mitsangana, dia ny hoe: mifohaza na hoe mitsangàna amin'ny maty. "Mifohaza ianao izay matory, ka mitsangana amin'ny maty, dia hampahazava anao Kristy" ( ). Izany no hafatra omen'ny Tompo ny Fiangonana, ho entiny eo amin'izao tontolo izao.

Voalazan'i Marka, fa "maro ny olona niteny mafy an'I Bartimeo, mba hampangina azy, fa vao mainka niantsoantso izy, ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô ! Mamindrà fo amiko ! ". Tsarovy, ry havana, fa maro ny olona miezaka hanakombom-bava ny madinika, izay sasatry ny miantsoantso famonjena amin'Andriamanitra. Tsarovy fa mbola manakoako mandraka androany ny kiakikan'i Bartimeo jamba. Be dia be ny sokajin'olona tahaka an'i Bartimeo : miady fo mafy mba handrenesana ny antsoantsony. Ao ny vahiny ! Anisan'ireny ny mpiray tanindrazana amintsika tonga hanovona ny isan'ny malagasy mila ravinahitra aty Andafy. Ao ny tsy an'asa. Ao ny sembana sy ny kilemaina. Ao ireo voahilikilika miankavanana sy miankavia. Tsy tambo isaina ny olona mitoreo ao anatin'ny aizin'izao tontolo izao.

Eny, ry havana, tahaka an'i Jesosy, isika koa dia irahiny hikarakara ny rahalahintsika madinika, araka izay azontsika atao. Manao izay azo atao ny manampahaizana mikaroka izay fomba iadiana amin'ny cancer sy ny sida sy ny areti-mandoza maro samihafa mampahory ny mpiara-belona aminy. Miady fo mafy ny dokotera sy ny infirmiers ary ny aide-soignants hanala ny fahorian'ny marary nomena ho karakarainy. Isika kristiana koa, izaho sy ianao, dia irahin'I Jesoa hitady ireo mitorovoka eny amoron-dalana, dia ireo voatositosika ho any amin'ny sisiny, lasibatry ny kaikitry ny fijaliana mianjady amin'ny nofony sy ny tsindron'ny fahoriana mamely ny fony.

Saingy tsy ho an'ny vatan'ny olona ihany, tsy ho an'ny nofo ihany ny famonjena entin'I Jesoa. Zavatra kely dia kely sy bitika dia bitika loatra ny fanatanterahana izany, amin'I Jesoa Zanak'Andriamanitra.

Raha nanasitrana ilay mararin'ny pralisisa nampidinin'ny namany avy eny an-tafontrano Izy, izay nokendreny tamin'izany, dia ny hahafantaran'ny olonmbelona rehetra, fa tonga hanafaka azy amin'ny fangejan'ny fahotana Izy. Raha nampahiratra ny mason'i Bartimeo jamba koa Izy eto, izay tiany ho takatry ny olona, dia ny fahajambana ateraky ny fahotana, izay tiany hanafahana ny olona. Jesoa Irery ihany no hany tokana afaka hamonjy ny olona amin'ny fahotana sy ny fahafatesana itoerany.

Bartimeo, ilay mahantra nangataka teo ambavahadin'ny tananan'I Jeriko, dia tandindon'ny olona rehetra, izay samy mila famonjena avokoa, noho ny fitoerany amin'ny fahajambana sy ny fahamaizinana ary ny fahafatesana, izay manakana azy tsy tsy hahazo ny fiainana be dia be atolotr'Andriamanitra.

Raha maniraka antsika hiantso ilay jamba Jesoa, dia tsy mandefa antsika hanampy ny rahalahintsika amin'ny aretina sy ny fahorian'ny nofo fotsiny, na dia voalaza teo aza fa tena tokony hataontsika izany. Izay tiany handresena lahatra antsika, dia ny fisian'ny fahajambana hafa, izay mampidi-doza indrindra, dia ny fahajamban'ny olona mpanota.

Ry havana, meteza indray anio ho resen'ny Fanahy Masina lahatra, mba handeha hitady ny jamba rehetra any ivelan'ny Fiangonan'Andriamanitra, sy hitondra azy ireo ho eo am-pototry ny fahazavan'I Kristy.

Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny Fiangonana !

Amena!

RANDRIAMAHEFASOA Arilaza

TONIA Tafo Toulouse

Miverina ery ambony

FA MPAMONJY NO TERAKA HO ANAREO ANIO

Teny hovakiana Lioka 2 1-14

Tantara efa diso haitsika loatra. Ary efa impiry moa isika no nadreha toriteny izay notakarina avy amin'izany tantaran'ny Noely izany. Marina fa tsy mahamonamonaina antsika ny mandreha ny tantaran'ny Noely, saingy efa fantatsika sahady izay zavatra hitranga, hany ka ny mahatonga antsika tsy ho leony dia satria nolarontsika kotaba sy fetifety izy ka mazana iny no tadidy kokoa.

Tsy vitsy ny mino fa fotoana hafa mihintsy no entin'ny Noely ary marina ny lazainy.Ary dia tohizany fa hisy ny fiovana ka fahandriampahalemna sy fiadana no hanjaka eto an-tany noho izany ka hivitrana daholo ireo fiavanana tapaka rehetra. Toa nofy ihany izany. Manaiky hampitsahatra ny ady ny sasany amin'io andron'ny Noely fa vao dila izany dia injao indray ny firefotry ny basy sy ny fidoboky ny tafondro. Mandra-pahatongan'ny hanjakan'ny fahazavan'i Kristy eto amin'izao tontolo izao dia mbola hisy foana ny tsindry hazo lena ny fanambakana ny filana sotasota, ny fitiava-kanjaka, ny fitiava-kely sy ny sisa.

Toa tsy nitondra fiovana loatra amin'ny fiainantsika andavan'andro ny fahatsiarovana ny nahaterahan'i Jesosy tany an-tranon'ombin'i Betlehema.Toa mbola ao ihany ireo zava-manahirana antsika, toa eo ihany ny fahantrana, ny tsy fisina, ny tebiteby. Fanatenana hafa noho izany no anteraky ny nahatongavan'ny Tompo. Tsy manaiky ataotsika ho mpanao hatsarana, na mpanao majika Jesosy ka hanova ao anatin'ny indray mipy maso izao tontolo izao satria tsy haitsika olombelona ny mandrindra sy mandamina azy.

Izay hitatsika ao Betlehema dia hafa noho izany, tafalatsaka lalina ao am-po fa tsy ravoravo hatetina fotsiny akory. Tsy manao tahaka ny mpanao politika akory ny Tompo ka hampanatena anao ny tsy misy; Ny hasehony dia na ao aza ny ady, ny fahoriana, ny fahantrana dia tokony ho hain'ny olombelona ny manatosaka ny fitiavana. Izay ny hafatry ny alin'ny Noely tany Betlhema iny. Ny tsirairay avy na dia ao aza ny fahalemeny na dia ao azany fahantrany, ny fahoriany, ny fahakivy, ny fahareseny ny fahambaniany dia afaka mitia.

Teha-hitondra antsika eo am-pihinanam-bilo ny Tompo ka hijery ny hibanjina an'ity zaza vao teraka nolazain'ny anjely ity, mba hahazoantsika mandray ny hafatry ny Noely.

Zaza vao teraka dia malemy ary miankina betsaka amin'ny ireo manodidina azy ny mety ho fahavelomany.Ary tahaka izany koa ity tsirim-pitiavanan'ny Noely ity dia pitik'afo kely fotsiny any am-boalohany fa mila anao hanolokolo azy mba hahatonga azy ho afo handoro ny ady, ny fahankahalana, ny tsindry hazo lena, ny fanambakana. Nahoana no mbola misy ireo eto ambonin'ny tany ? Mbola misy izany satria tsy mbola hain'ny olombelona efa fa na dia ny Kristiana aza ny nikolokolo azy.

Ny zaza vao teraka koa dia malemy, mila ny manodidina hanome azy ny fikarakarana rehetra sy ny sakafo mba hahatonga zy ho velona. Ny finoan'ny Noely dia mila anao hikarakara azy, hanome sakafo azy raha tsy izany dia ho faty izy. Hadinonao ve ry havako ny nivavaka androany, ny namaky ny Soratra Masina androany sao tsy ampy sakafo ilay finona ka ho faty e! Sedrain'ny fahadisom-panatenana ny finoanan'ny sasany, tabain'ny famadian'ny olona nitokisa, akorotan'ny tsy fahafahana fanadinana aza dia maty. Tsy mahagaga malemy tsy ampy sakafo ka izany fotsiny dia nahafaty azy.

Vao teraka ny zaza dia mifantoka any aminy daholo ny saina rehetra. Tsy misy ambony ao amin'ny fianakaviana manotolo hafa tsy izy irery. Mila ny fanajana izy mila ny fitiavana izy, miondrika eo anatrehany daholo ny rehetra. Io Zaza teraka any Betlehema io koa ry havana dia mila ny fanajantsika mila ny fitiavantsika. Tokony tsy hisy mihintsy na dia iray aza ao amin'ny fiainantsika ho ambony noho Izy

Ny zaza vao teraka marina fa maleny, saingy isika rehetra samy mahafantatra fa ho lehibe izy ary hatanjaka ka hanana hery. Ny fanatenan'ny Noely koa ry havana dia ny fahafantarana fa io Zaza vao terka io dia manana hery lehibe ka tsy hisy hahatohitra Azy. Koa nahoana no misalasala aho nahoana no misalasala hianao. Nahoana no mbola mitady hery hafa indray aho hasoloko Azy.

Ireo no hafatry ny Krismasy 2000 amintsika.Mila anao hakany Betlehema, ao antranonomby, ary hibanjina ilay zaza vao teraka vohopdidina lamban-jaza mba hahazoana mandray izany. "Fa Mpamonjy no teraka ho anao anio ao an-tananan'i Davida dia Kristy Tompo "

RAFENONIRINA Laza

Mpitandrina Mpandrindra

Tafo Nancy

miverina ery ambony

TALENTA

Teny hovakiana Matio 25 14-30

Ny Tenin'Andriamanitra izay hanankinana ny hafatra ho antsika, dia ny fanoharana nataon'i Jesosy mikasika ny talenta, izay efa niarahantsika namaky sy nihaino teo rahateo. Tantara fantatsika loatra izy ity! Hatramin'ny fahazazana no efa nianarana azy tany amin'ny Sekoly Alahady.. Tsy isika kristiana mpamonjy fanompoam-pivavahana isak'Alahady ihany anefa no mahafantatra ity tantaran'ny talenta ity, fa saiky ny olona rehetra mihitsy, eny, hatramin'ireo izay tsy miraharaha fivavahana sy tsy mino ny fisian'Andriamanitra aza. Zary fiteny mahazatra ny maro ny hoe: manafin-talenta, mandevin-talenta, sy mampitombo ny talenta. Hain'ny olona rehetra izany fomba fitenenana izany, izay notovozina tao amin'ny Baiboly, sy notrandrahana tao anatin'izao fanoharana resahantsika eto izao. Saingy mampalahelo ihany, raha ny hevitra andraisan'izao tontolo izao azy fotsiny no ho tanantsika sy hfikirantsika. Raha te-hahalala ny hevitr'izany teny izany marina isika, dia tsy maintsy miverina any amin'ny loharano nipoirany, tsy maintsy mitoetra eo an-tongotry ny Tompo mba hihaino ny fampianarany mikasika ny fampitomboana sy ny fandevenan-talenta. Ity fanoharana ity dia nataon'i Jesosy, fotoana fohy talohan'ny hanatrehany ny fijaliana sy ny fahoriana izay niharetany ny mafy mba hamonjena izao tontolo izao. Ity fanoharana ity no anambarany ny handehanany hiala tsy ho eo amin'ny mpianany intsony, sy ametrahany andraikitra lehibe amin'izy ireo, dia ny fandraisana an-tanana ny fikarakarana ny Fanjakany, ny famokarana ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra. Andeha ary ho savasavaina ny amin'ireo hevi-dehibe roa fonosin'ity fanoharana ity ireo, dia ny fitokisan'i Jesosy ny mpanaraka Azy izay ametrahany andraikitra hiasa sy hamokatra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra amin'ny fotoana tsy maha-eo Azy; ary ny fampamoahana izay iandrasany ny asan'ny tsirairay avy amin'ny andro hiverenany. I -

1° ) Voalohany ary! Manome ny fitokisany tanteraka ny olony Andriamanitra, ka manolotra eo an-tanany ny Fanjakany, mba hokarakarainy sy hampitomboiny.

Izany no zava-miafin'ny Filazantsara tiana haseho antsika anio. Ny Andriamanitra inoantsika sy tompointsika dia tsy mba tahaka ny surveillant izay ao an-damosin'ny mpianatra foana amin'ny andro anaovany fanadinana ka tsy mamela azy hikofoka. Ny Andriamanitsika dia tsy mba tahaka ny mpiambina ny gadra any an-tranomaizina, ka hiandry antsika amin'ny basy sy ny tosi-dohalika. Fa ny Andriamanitsika dia Andriamanitra manome ny fitokisany antsika, ary manome ny fananany ho tantanintsika.

Ry havana! Matoky antsika Andriamanitra ka mametraka ny fananany ho tantanintsika. Ety an-tany isika dia natao hitantana fananana izay tsy antsika, fa an'Andriamanitra Mpahary antsika sy Mpahary izao tontolo izao. Miasa ho an'ny Fanjakan'ny lanitra. Tsy ho an'ny vady, tsy ho an'ny zanaka, tsy ho an'ny malalantsika no anton'ny ametrahan'Andriamanitra antsika ety. Fanomezam-pahasoavana napetraky ny Tompo eo an-tanantsika ihany izany rehetra izany, na toy inona na toy inona hamaminy. Fanomezam-pahasoavana hiasana sy hiara-miasa amintsika ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra. Koa raha mbola apetraky ny Tompo eto isika, dia tsarovy, fa mbola ametrahany fitokisana koa amin'ny fanatanterahana ny andraikitra lehibe nampiantsorohany antsika, dia ny famokarana ao amin'ny Fanjakany, ny fisahanana ny famonjena ny rahalahy, ny rahavavy, ny anadahy, ny anabavy ary ny namana rehetra apetraky ny Tompo hanodidina antsika.

Fa tamin'ny fizarany ny fananany tamin'ny mpanompony, dia voalazan'i Jesosy, fa nataon'ilay tompom-pananana araka ny fahaizan'ny mpanompony avy izany. Mahafantatra antsika tsara Andriamanitra, ka manome talenta antsika araka izay haintsika tantanina. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray. Aoka isika tsy ho azon'ny fakam-panahy, ka hampitahy ny talenta omen'ny Tompo antsika amin'ny talenta omeny ny namantsika. Ny zava-dehibe dia ny fahafantarantsika fa samy nahazo anjara avokoa ny tsirairsy avy. Tsy nisy tsy nahazo, na iray aza.. Hoy ny Apostoly Paoly raha manambara izany: Zarazaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana. Fa ny anankiray nomena teny fahendrena, ny anankiray teny fahalalana, ny anankiray finoana, ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, ny anankiray ny manao fahagagana, ny anankiray ny maminany, ny anankiray ny mahafantatra fanahy samihafa, ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samihafa tsy fantatra, ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. Izany dia azontsika ampiana koa hoe: ny anankiray ny mihira, ny anankiray ny mampianatra sy mitaiza, ny anankiray nomena fahaiza-mampirina sy mandamina, ny anankiray fahaiza-mandray olona…. sns,…sns… Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy (I Ko 12: 4-12).

Aoka ary isika samy hanontany tena hoe: Inona no andraikitra tian'Andriamanitra ho tanako ao amin'ny Fanjakany? Inona no toerana tian'ny Tompo hisy ahy, izay tsy azoko ialana, satria tsy azon'ny hafa anoloana ahy, fa natokany ho ahy irery. Inona no talenta izay nomeny ahy, ka izaho irery ihany no hany afaka mampitombo azy? Eo imason'Andriamanitra dia tokana, tsy azo soloina ny tsirairay avy, amin'ny andraikitra napetrany taminy, izay nataony hifanahaka indrindra amin'ny maha-izy azy, sy ny fahaizana nomeny azy, sy ny talenta napetrany taminy, dia ny fanomezam-pahasoavana natolony azy.

Ilay mpanompo ratsy sady malaina, izay namihina ny talentany dia voaheloka satria tsy nanao araka izay tokony ho nataony. Rehefa manaraka an'i Jesosy isika dia tsy maintsy mandroso, tsy maintsy mandray andraikitra. Amin'i Jesosy dia tsy ny fanaovana izay zavatra andraràna ihany no fahotana, fa ny tsy fanaovana izay tokony ho natao indrindra koa. Tsy nisy tsy fahamarinana notanterahan'ilay mpanompo ratsy sady malaina anie akory e! Tsy nangalatra tamin'ny tompony izy. Noheveriny fa nahafaka azy madiodio ny namerenany tsy nisy nanombinana ny talenta nomena azy. Kanefa dia tsy ampy ny nataony. Tsy nisy ratsy nataony, na dia kely aza; nefa kosa dia nanadino ny nanao ny tsara sy ny mety tokony hataony izy. Mitaky antsika tsy hihonona amin'izay efa vitantsika fotsiny Andriamanitra, fa mba hihoitra kosa, tahaka ny mpanao fanatanjahan-tena izay mikendry hatrany ny hihoatra ny records efa vitany. Koa amin'izany, ry havako malala, miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo (I Ko 15: 58).

Inona koa no tokony ho tandremana amin'ny fiasantsika ao amin'ny fanjakan'ny lanitra? Voalazan'i Jesosy ao amin'izao fanoharana izao, fa lasa any an-tany hafa ilay tompom-pananana, ary maharitra ela ny tsy maha-eo azy. Izao fotoana iainantsika izao, ry havana, dia fotoana tsy ahitantsika maso ny fanatrehan'ny Tompo. Fitsapana mivaivay no andalovantsika eo am-piandrasana ny fiverenany, fitsapana tahaka izay nahazo ireo mpanompo nametrahan'ny tompony andraikitra lehibe. Eny, ny fitoerantsika eto amin'izao fiainana izao, dia fotoana amelan' Andriamanitra antsika hikarataka sy handray andraikitra irery. Fotoana toa tsy maha-eo Azy, fotoana toa ihafenany. Mampiseho ny fitokisana lehibe omen'Andriamanitra antsika sy ny fanajana feno ny fahafahantsika izany. Izany ny Andriamanitsika.

II - Ary indray! Andeha ho jerena ny amin'izany fiverenan'ny Tompo sy izany ampamoaka iandrasany antsika izany. Ary nony ela, hoy ny fitantaran'i Jesosy, ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo, ka nampilaza azy ny amin'ny volany. Mampitandrina antsika Jesosy fa tsy tokony hatoritory ao anatin'ny fiandrasana ny fahelan'ny fiverenany isika, ka hihevitra fa mbola ho ela izany, na mety tsy hisy mihitsy aza. Sao koa isika ho varimbariana amin'ny fiheveran'ny sasany izay milaza fa maty Andriamanitra, na tsy misy Andriamanitra. Na tiantsika, na tsy tiantsika, dia mbola hiverina Izy, ary tsy miankina amintsika izany fiverenany izany. Hiverina Izy, ka hanao ampamoaka. Ny ampamoaka hataony kosa dia hiankina tanteraka amin'izay nitondrantsika ny fiainantsika, hiankina tanteraka amin'izay fanapahan-kevitra noraisintsika sy narahantsika tamin'ny fiasana ny asany tamin'ny alalan'ny talenta nomeny antsika.

Ilay mpanompo ratsy sady malaina anie ka tena nahafantatra tsara izay tiany hatao ny amin'ny talenta nomena azy e! Tamin'ny fahafahana tanteraka no nanapahany hevitra tsy hanao na inona na inona tamin'izany talenta nomena azy izany, fa hamerina izany tsy nisy tombony tamin'ny tompony kosa. Noho izany dia azo ambara tsara fa izy ihany no nanameloka ny tenany, tamin'ny fandraisana fanapahan-kevitra tamin-kalalahana ny handevina ny talenta nomena azy. Manaja tanteraka ny fahafahantsika Andriamanitra. Tompon'andraikitra feno ny amin'ny tenantsika sy ny fiainantsika isika.

Amin'Andriamanitra dia tsy kilalao ny fahafahana omeny ny olona. Zava-dehibe amin'Andriamanitra ny fahafahantsika, ka tokony ho raisintsika ho zava-dehibe koa. Zava-dehibe toy izany koa ny fanapahan-kevitra raisintsika ny amin'ny fanatanterahana ny andraikitra napetrak' Andriamanitra tamintsika. Voninahitra lehibe asatroky ny Tompo antsika anie ny fampamoahana hiandrasany antsika amin'ny fiverenany e! Amin'izany anie no ampiharihariany ny fanajany antsika sy ny fandraisany antsika ho olon-dehibe tompon'andraikitra, manana ny maha-isika antsika e! Zava-dehibe hiankinan'ny fiainantsika sy ny ho avintsika ary ny mandrakizaintsika izany, ka tsy tokony hataontsika ambanin-javatra!

Mipetraka ho azy anefa ny fanontaniana, manoloana izany rehetr izany: Raha manaja ny fahafahan'ny olona Andriamanitra, nahoana no nohelohiny ilay mpanompo izay nifidy handevina ny talenta nomena azy? Andeha averina ho vakiana kely ny fitantaran'i Jesosy. Ahoana hoy ilay mpanompo tamin'ny tompony? Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafanao. Amin'i Jesosy dia izany no faratampom-pahotana: Manendrikendrika an'Andriamanitra, mi-dénaturer an'Andriamanitra. Mihevitra an'Andriamanitra ho lozabe sy mpanao an-keriny. Raha vao izany fiheverana izany no tonga ao an-tsaina dia simba avokoa ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Izany no efa nakan'ny menarana fanahy an'i Adama sy Eva, ka nahalavo azy ireo, tao Edena.

Mety hahazo antsika koa izany fakam-panahy izany. Tsy manao an-tsaina ny maha-Ray feno fitiavana an'Andriamanitra, izay tia izao tontolo izao, ka mamonjy ny olona, sy manao fanekena aminy amin'ny nanolorany ny ainy ho sorona teo amin'ny Hazo Fijaliana; fa mihevitra an'Andriamanitra ho concurrent izay tsy mijery afa-tsy ny Tenany, ary tsy mihevitra velively ny fahasambarana sy ny fiadanan'ny olona. Mety hahazo antsika tokoa izany fisainana izany! Fisainana diso, mifanohitra tanteraka amin'ny fanambaran'ny Baiboly, ka tokony ho tandremantsika tsara!

Fa ahoana koa hoy ilay mpanompo? Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry lasanao ny anao. Mampiseho ny tsy fahatakaran'ity mpanompo ity ny fifandraisana tian'ny tompony hananany aminy izany teniny izany. Araka izany, ny fanamelohana nahazo azy, dia tsy noho ny tsy netezany nampitombo ny talenta nomena azy, na noho ny hakamoany akory. Ny antony nanamelohana azy koa dia ny nifandahatra tamin'ny tompony, ka nahasahiany nilaza an-kitsirano fa izy no manana ny marina, fa ny tompony kosa no diso. Nihevi-tena ho nanao ny marina izy, satria namerina tamin'ny tompony izay nomeny azy. Tsy noheveriny fa nandiso fanantenana ny tompony izy tamin'izany, dia ny tompony izay nanantena ny fanoloran-tenany feno hiasa hampitombo ny fananany.

Tahaka izany koa no iandrasan'Andriamanitra fanoloran-tena tanteraka amintsika, ry havana. Mila antsika hihevitra ny tombo-tsoa tokony ho Azy Izy. Mila antsika hanana finoana Izy mba hampitomboantsika ny fananany izay napetrany amintsika, dia ny Fanjakany. Raha te-ho mpianatr'i Jesosy marina isika, dia tsy maintsy manao an-tsaina izay hampitomboina ny Fanjakany navelany ho andraikitsika. Izay tsy mihevitra afa-tsy hitahiry fotsiny izay nomena azy, dia manao izay haha-maty momoka ny Fanjakan'ny lanitra. Ny Filazantsara izay omena antsika dia tsy natao ho fihinina toy ny harena tsy afa-miasa sy tsy afa-mamokatra akory. Tompon'andraikitra amin'ny fampamokarana azy isika, ary rehefa miverina ny Tompo dia mbola hampamoaka antsika ny talenta nomeny antsika sy ny tombony.

III - Farany, Hoy ny Tompo: Fa izay rehetra manana dia omena ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Aoka tsy ho voafitaka isika, ka hihevitra fa ny Fanjakan'ny lanitra dia vola aman-karena be dia be, na fananam-be ara-materialy, tahaka izay asehon'ity fanoharana ity. Sary ihany no ampiasain'i Jesosy eto. Fa ny Fanjakan'ny lanitra dia fifaliam-be, ny fifalian'ny Tompontsika, araka izay nambaran'ny tompony tamin'ireo mpanompo tsara sady mahatoky. Izay kendren'Andriamanitra amin'ny fanomezana antsika ny fanjakany ho karakaraintsika sy ampitombointsika eto an-tany, dia ny hampiditra antsika ao amin'ny fiainany, ao amin'ny fifaliany tsy manam-pahataperana, ao amin'ny fahasambarany mandrakizay. Tsy inona izany fa izay averimberintsika isak'alahady isaky ny mamarana ny fanekem-pinoana isika hoe: ary mino ny fiainana mandrakizay aho. Isak'alahady no hanomanan'i Jesosy antsika ho vonona tsara handray ny fiverenany. Ny fampianarana ataon'ny Sekolin'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny ankizy sy ny tanora ary ny lehibe, ny fihainoana ny famakian-teny sy ny toriteny mandritry ny fanompoam-pivavahana, dia tsy inona fa fampidiran'ny Tompo antsika mianakavy amin'io fiainana be dia be izay omaniny ho antsika io, izay tiany hanazava ny fiainantsika rehetra, raha mbola ety an-tany isika. Ny fiainantsika anio, ny fiainantsika isan'andro no miantoka ny mandrakizaintsika. Koa aoka ny andro tsirairay omen'Andriamanitra antsika ho raisintsika ho toy ny andro farany iainantsika avokoa, satria amin'izay ataontsika ho an'ny Fanjakan'ny lanitra amin'izany andro izany, no hanamelohantsika rahateo ny tenantsika, raha tsy miezaka hampitombo ny talenta nomena antsika isika. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny Fiangonana. Amena!

Arilaza RANDRIAMAHEFASOA

Tonia Tafo FPMA TOULOUSE

miverina ambony

 

HAKANY AMIN'IZA MOA IZAHAY ?

JOSOA 24 : 1-2a,15-17, 18b

EFESIANA 5 :21-32

JAONA 6 :60-69

Tao amin'ny Synagogan'i Kapernomy teo afovoan'ny Jiosy tezitra no nitenenan'i Jesosy araka ny hitatsika tamin'ny heriny fa ny fihinana ny nofony sy ny rany no hahazoana fiainana. Tsaroantsika tsara ny fihetsin'ny Jiosy tamin'izany. Anio indray dia ho hitatsika kosa ahoiana hoy ny mpianatra.Raha miresaka hoe mpianatra isika dia ireo rehetra izay nanara-dia Azy matetika no lazaintsika amin'izany.

Ireto mpanaradia ny Tompo ireto izay hatrizay nitolagaga tamin'izay rehetra nataony ka mazàna aza manadino hatramin'ny sakafo dia tsy nahatanty koa izay nolazainy. Tafitohina izy ireo satria mihoatra ny tokony ho izy ny voalazan'i Jesosy ary nimonomonona noho izany. Jesosy nanotany azy ireo hoe : "Manafitohina anareo va izany ?" Ary eto dia nambarany fa ireo tafitohina dia ireo izay tsy mino. tsy nanalany mihintsy izay nolazainy ary nambarany aza fa raha izany aza mahatafitohina anareo maika fa hahita ny Zanak'olona hiakatra any amin'izay nihaviany ianareo. Haloahalika ny ranom-bary, tonga ny tsotsorimamba hisarahana. Ny marina tsy nino izy ireo. Voasariky ny rendrarendra angamba, satria nandreha ny fahagagana nataon'ny Tompo hany ka dia nanaraka Azy. Izao milaza zavatra tsy azo hinoana Jesosy ka tsy azo ekena intsony. Nanatena ny maro tamin'izy ireo fa hilaza izay notadiaviny Jesosy. Izao anefa ny fanambarany tsy hoe : tsy azo inoana fotsiny, fa tena manafitoina mihintsy. Koa dia betsaka no niala. Ary moa tsy toa izany koa isika ry havana. ny mifanaraka ihany amin'ny eritreritsika no tiantsika henoina fa raha vao mifanohitra amin'izany dia tafitoina isika. Ary misy tena mandao ny fiangonana mihintsy. Mazàna ny ara-nofo ihany no mahamaika antsika. fa raha vao tsy izany dia miala isika. Jesosy eto dia niteny mihintsy hoe : "Ny fanahy no mahavelona fa ny nofo tsy mahasoa."

Nahita ireo olona nadeha Jesosy ary nijery ireo mpianatra sanganehana be ihany dia nanotany azy 12 lahy hoe : "Hianareo koa va mba te-hiala ?" Tahaka ny mahazatra dia i Petera no namaly ary dia niteny ireto teny malaza loatra ireto hoe izy : "Hankany amin'iza moa izahay ? " Raha tsy mamaky ny manaraka isika dia azotsika tohizana hoe : "Ireo olona ireo dia manana ny asany, manana ny volany, manana ny vady aman-janany; Izahay kosa efa nafoinay izany rehetra izany, raha miala Aminao izahay dia hanomboka amin'ny tsy misy. Tsy izany anefa no antony nomen'i Petera tsy hialan'izy 12 lahy, fa antony hafa dia ny hoe : "Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay." Toy ny te-hilaza hoe Petera ny zava-rehetra mety ho azon'ireny olona ireny dia tsy misy dikany, satria mandalo sy vetivety ihany, fa Hianao kosa manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. Notohizan'i Petera ny teniny ka hoy izy : "Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no ilay masin'Andriamanitra. Tsy noteneniny fotsiny hoe mino, fa nampiasainy koa ny teny hoe mahalala, izany hoe afaka mitompo teny fantatra. Fanekem-pinoana re izany ! Ny mbola hijanonanao miaraka amin'ny Tompo ve tahaka ireo nolazain'i Petera ireo, sao sanatria ny zavatry ny nofo ihany, mbola sodoka ny fifaliana hianao, jamba ny mahafinaritra ihany. Fa rehefa tonga ny fotoana ka mafy ny teniny aminao, tonga ny fahoriana, dia ho tafitohina koa hianao. Sa ny maha-mpitandrina, ny maha diakona, ny maha-mpandray dia mbola hahazoanao tombony, dia tsy miala hianao hany ka vao tsy lany diakona dia lasa miala ka lasa mpanenjika . Takina aminao anio ny hitenenanao tahaka an'i Petera hoe : hakany amin'iza moa izahay.

Mahafinaritra ery ny hira noforon'i Pasitera Razafimahefa Rainy tao Ambositra hoe : "Ahy Jeso ampy izay." Paoly Apostoly koa nilaza ny hoe : Hatao taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy Fil 3 :8.

Mino aho fa isika rehetra no hiteny hoe : "Tompo hakany amin'iza moa izahay ? "

 

miverina ery ambony

 

 

MOFO VELONA

OHABOLANA 9 : 1-6

EFESIANA 5 : 15-20

JAONA 6: 51-58

Ny perikopa androany indray koa dia mbola mikasika ny mofo ihany. Rehefa avy nanome valiny ny jiosy Jesosy tamin'ny resaka hitantsika tamin'ny heriny dia nilaza hoe : "Ny mofo izay omeko azy dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. I Jaona dia nilaza fa nifanditra ny jiosy, ny marina kokoa angamba dia sahiran-kevitra izy ka nifampanotany., tsy sahy nanotany an'i Jesosy satria sao hametraka valiteny vao maika hanahirana azy Jesosy, hany hery dia niady hevitra sy nifanditra aza. Fa inona no nahavery hevitra. Izao no voalaza ao amin'i Jaona :" Ataon'Ilehio ahoanba no fanome ny nofony ho hanintsika ? "Ry havako fanotaniana mety ho napetrako koa izany raha izaho no nanatrika izany fotoana izany.

Valiteny fanaporofona ny mety hahatanteraka izany no nadrasan'ny jiosy, saingy tsy nanao izany Jesosy. fa notohizany kosa ny fanazavany ary avy amin'izany no hahafantarana misimisy kokoa ny momba Azy. Manome fanambara tsotra sy mazava Jesosy, fanazavana izay tsy hilana teolojia na fanaporofoana ara-tsiansa.Izay naseho ny Tompo dia ny haren'ny mofo izay omeny.. nambarany fa izany mofo izany dia hahavelona izay mihinana azy. Ny fanekena ny hihinana ny nofony sy hisotro ny rany dia antoka hahazoana ny fiainana mandrakizay. Toa tsinjony ny fisainan'ny jiosy ka dia nambarany fa ny fahafatesana ara-nofo tsy foana akory. hain'ny Tompo tsara ny niala ny fandrika nataon'ny jiosy ka hoy Izy : "Izaho hanangana azy amin'ny andro farany" ho an'izay mihinanana ny nofony sy ny rany. Tamin'ny Tompo ny fahafatesana ara-nofo dia zava-madinika ihany.

Ary moa tsy ilay fahavelomantsika mandrakizay ve no tena zava-dehibe. Koa ilay sakafo nomena antsika dia manome hery antsika handresy ny fahafatesana. Ary izay no nahatonga ny Tompo hanamafy ny maha antoky ny famonjena antsika ilay mofo omeny. Tsy sanatria fahaizany manokana na fanaovana hatsarana akory no mahatonga izany, fa ny tenany mihintsy no nomeny hahatonga izany. Koa izay mandray Azy dia mitoetra ao aminy. Tsy fanatrehana ihany fotsiny izany no ataon'ny Tompo, satria raha izany fotsiny dia toy ny ody hiaro antsika amin'ny fahafatesana fotsiny Izy. Fa hafa noho izany ndeha hohenointsika izay nolazain'i Paoly Apostoly hoe : "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko.". Ho antsika Protestanta dia tsy miova ho nofo sy ran'ny Tompo ny mofo sy divay raisina amin'ny fandraisana, nefa na izany aza dia fahatsiarovana ny nanomezan'ny Tompo ny tenany ho antsika izany. Koa manao ahoana no handraisantsika Azy.. Fahazarana fotsiny ve ? Anao ry havako no mamaly izany.

Ny zavatra mahalasa fisainana dia ny fahitana fa in-telo alahady izao dia ny momba ny mofo foana no voalahatra ao amin'ny perikopa ho vakina sy torina.Heveriko fa misy antony izany. Aza variana fotsiny amin'ny sakafo mora lo fahita eto amin'Izao tontolo izao. fa maniry ny hanim-panahy izay hahavelona anao dia Jesosy Kristy. Atao ahoana no tsy hahatsiaro eto ny voalazan'i Jesosy ao amin'ny Matio toko faha 5 manao hoe : Sambatra no noana sy mangetaheta... fa izy no ho vokisana. Tsy ho vokisana fotsiny ianao fa omen'ny Tompo fiainana mandrakizay.Tsy ampy an'io mofo velona sy mahavelona io Izao Tontolo izao.

 

Laza RAFENONIRINA Mpitandrina.

 

 

miverina ery ambony

FIAINAN'IZAO TONTOLO IZAO

I MPANJAKA 19 :4-8

EFESIANA 4 : 30- 5,2

JAONA 6 : 41-51

 

Tapa-bolana lasa izahay isika dia niresaka momba ny "Mofon'Aina". Mbola hitohy amin'izany ihany androany ny resatsika. I Jaona eto amin'ireo andininy noraisina ireto dia nanambara fa na dia tao aza ny fitarihana ny olona nataon'i Jesosy handray izany mofo izany dia fimenomenonana no valiny. Aiza ve hoy ny eritreritry ny mpihaino Azy ka dia olona fantatsika, hitantsika isan'andro isan'andro ny ray aman-dreniny dia hilaza tena fa midina avy any an-danitra. tsy fiambona fotsiny ve izany. Ny teny navalin'i Jesosy azy ireo voalohany dia ny ny nampangina ny fimenomenonany. Tsy nahazoan'izy ireo nihaino mantsy izany, koa tsy maintsy nampanginina.

Na dia amin'izao fotoana misy antsika izao aza dia diso marina loatra izany. Mazàna lasa amin'ny fimenomenonana fotsiny ny Fiangonana. Fandreha ohatra ny hoe : dia io ve no mba hiseho hitarika eo. Olona tsy mankaiza io sy ny sisa. Ilaina hampangin'ny Fiangonana izany satria manentsika ny sofiny tsy handreha izay lazaina aminy.

Rehefa vita izany dia nambaran'i Jesosy fa ny Ray no mitaona ny olona hanatona an'i Jesosy. Notohizany izany ka hoy Izy, Izany dia vokatry ny fampianaran'Andriamanitra., izay hahazoany mahafantatra Ilay nirahina dia Jesosy. Izay no valiteny voalohany nomeny ireo olona tsy nety nanaiky izay nolazainy. Ny tena izy dia ny fanafoanana ilay rindrina mampisaraka an'Andriamanitra sy ny olona ary fihaonan'Andriamanitra na ny marina kokoa ny Tenin'Andriamanitra sy ny fitadiavana hataon'olom-belona.

Toa misongadina eto ilay fihetsika mahazatra antsika ka mahatonga antsika tsy handroso. Satria izao fihetsiky ny Jiosy taratra eto izao dia mazàna koa mpahazo ahy. Indrindra rehefa misy fampahatsiarovana antsikahanova ny toetsika, ny eritreritsika mba hahazoana mandroso be be kokoa. Raha mba fantatsika mantsy ireo rindrina manakana antsika ireo, ka hezahantsika ho potehina izany. dia efa nahavita lalana lavitra sahady ara-mpinoana isika.

Raha afaka manala ireo tabataba manodidina antsika isika, raha afaka manala ireo manetsina ny sofitsika, dia afaka handray ny fampianarana omen'ny Tompo dia ny fahampafantarana ny Zanany amintsika. ny Zanany dia ilay lalana sy fahamarianana ary fiainana.

Fa notohizan'ny Jesosy ny teniny. Rehefa nosokafan'i Jesosy ny sofina sy ny fon'ireto olona nihaino azy dia niditra tamin'ilay "Mofo velona nidina avy an-danitra Izy". Fampitaha no nataony, dia fampitahana ny mana izay mofo nahidina avy any an-danitra namokisana ny zanak'Israely tany an'efitra. Na dia nihinana izany aza ny zanak'Israely dia maty ihany izy, fa izay mihina ny mofo omeko azy kosa hoy Izy dia ilay mofo nidina avy an-danitra dia tsy ho faty mandrakizay. Tsy navelan'i Jesosy hiteny tahaka ny taloha akory ireo mpihaino azy ka hanao hoe : Omeo izany mofo izany izahay. Fa avy hatrany ny Tompo notohizany ny teniny ka hoy Izy : ny Mofo izay omeko azy dia ny Tenako. Marina fa efa niteny ny Tompo hoe ; Izaho no mofon'aina, nefa betska tamin'ireo izay nihaino azy no nihevitra izany ho fomba fiteny fotsiny. Eto mazava ny tiany ho lazaina nomeny ny Tenany mba hahavelona izao tontolo izao.

Izany no herin'ny fitiavan'ny Tompo izao tontolo izao. Paoly apostoly dia nilaza ny hoe : "Nofoanany ny tena.... ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana Izy dia ilay fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana." Manoloana izany fitiavan-dehibe izany mangina isika. Fampisehom-pitiavana manao ahoana no ilaina indray ary iza no afaka hanao tahaka izany.

Toa tsaroako eto ho famaranana ilay tonokiran'ny mpamoro-kira iray manao hoa : "Hangina aho ry Tompo... fa voarakitra ato am-poko ilay fitiavanao.

 

Laza RAFENONIRINA Mpitandrina

 

miverina ery ambony

 

MIOVA TAREHY

Perikopa alahady 6 aogositra 2000

Daniela 7:9-14

II Petera 1 : 16-19

Marka 9:2-10

Tsara raha vakina ireo teny ireo. Asio fahanginana isaky ny avy mamaky ny boky iray ianao..

Ny tena hametrahantsika ny fandinihina androany dia ny Filazantsaran'i Marka voalaza etsy ambony.

Ho an'izay mahalala an'io io tanatara io dia toa efa mahazatra ny tantara. Ary satria mahazatra sy efa fantatra dia mien-danja ka tsy hita intsony izay hahalina azy. Nefa mafonja dia mafonja ireo teny ao amin'i Marka ireo, ary azo hakana fotokevitra maro raha te-handalina azy tokoa.

Tsy ho asina teny lava loatra ny amin'ny mpianatra ( Petera, Jaona, Jakoba) sy ireo mpaminany (Mosesy sy Elia), na dia fantatra aza fa nanana tombony lehibe ireo voalohany satria niaraka tamin'i Jesosy, ary ireto faharoa, satria nitondra ny Tenin'Andriamanitra ho an'ny Zanak'Israely.

Zana-kevitra roa no ho tadidintsika androany

Ny voalohany dia ny amin'ny fiovan-tarehin'i Jesosy..

Manontany tena aho hoe:"rehefa nahita an'i Jesosy niova hatramin'ny akanjony ve ny ny mpianatra tsy ho niteny hoe: :"Androany dia nahita zava-mahagaga izahay"

Ary isika eto am-pamakiana ny tantara ve tsy mety nilaza hoe :"Ilain'ny olona rehetra ny zava-mahagaga toa itony" Ny mahazatra moa toa lasa matsatso.Nefa ve tsy ao amin'ny fiainana andavan'andro sy tsotra indrindra no tokony hiahaonana amin'Andriamanitra. Ary moa tsy ao amin'ny tanin'ny efa fahita no tokony hisitrika ny fahagagana. Ny heverintsika mantsy dia eo amin'ny zava-manahirana ihany vao mila fahagagana isika.

Iza no mahalala ? Rehefa tonga Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika andavan'andro, dia hasehony izay mahatalanjona ao anatintsika. Mahatalanjona misy ao aminao, ao amiko, ao amin'ny hafa tsy ampopoizina ka manaitra antsika. Tahaka izany Jesosy rehefa niova tarehy dia gaga sy talanjona ny mpianatra, ary dia isika koa variana, ary mametra panontaniana .Matetika izay zavatra mahatalanjona ao amin'i Jesosy izay dia niafina tamintsika, ary toa saika hadino aza.Tampoka anefa mitranga izany ka mahagaga antsika.

Misy zavatra ao anatintsika, na koa misy olona ao anatintsika nalatsa-tsika ao amin'ny fanadinoana. Ka tampoka teo dia taitra, mikofoka tahaka ny olona hifoha, hiala ao anatin' ny fahatoriana naharitra, ary farany dia taitra. Hany , koa toa tsy fantatsika marina indray ny amin'ny tenantsika. Toa izany koa ny fifandraisantsika amin'i Jesosy. Efa zatra azy loatra angamba isika ka toa niendanja eo imasontsika Izy; Na matahoatra Azy loatra isika ka mandositra Azy foana. Mitranga tampoka eo amin'ny fiainantsika anefa Izy indraindray dia gaga isika ka manotany hoe : Tena Izy marina ve io? Tena ianao ve io ry Tompo?

Fa andeha hiverina amin'ny tantara isika. Jesosy dia teo an-tampo-tendrohitra, voarakotry ny zavona Izy sy ireo miaraka taminy. Tsy takatsika , matetika, fa eo amin'ny fotoana mamjombona no hihaonana amin'i Kristy, na eo koa no fotoana hisehony, eo no ampisehony amintsika ny voninahiny sy ny heriny;

Tsy hahita n'inona inona amin'ny alina isika raha tsy misy ny jiro. .Tsy afaka mahita ny Tompo aho indraindray satria mifanohatra aminy ny eritreritro Izy, mifanohitra amin'izay inoako koa, ary ary tsy mifanaraka amin'izay maha izy ahy.Hany ka tonga jamba aho, mikipy ao anatin'ny zavona na ny aizina ary tsy afaka mahita ny Voninahitr'i Jesosy, eny fa na dia ny tarehy fotsiny ihany aza, noho ireo antony ireo.

Fa andao mbola hijanona eo an-tampo tendrombohitra, eo amin'izay misy an'i Jesosy araka ny voalazan'ny tantara ihany isika , ao anatin'ny zavona. Sodokan'ny fahagagana ny mpianatra ka nitady hijanona teo an-tendrombohitra. Te-hanorina lay teo izy ireo.Tsy izany anefa no tian'i Jesosy satria tsy maintsy miverina amin'ny fiainany an-davan'andro izy ireo. Isika dia mbola miaina eto ambon'ny tany ka tsy afaka hiataka hiala amin'izao tontolo izao mbola misy antsika izao akory;

Ny faharoa ho singanintsika eo aminy ireto teny ireto dia ilay feo manao hoe:" Ity no Zanako malalako, Izy no henoy".

Feo mivaoka avy ao amin'ny fahanginana ary dia manaitra '"Izy no henoy" teny miverimberina matetika ao amin'ny Soratra Masina izy io.Hita ao amin'ny filazantsaran'i Lioka koa izy io tamin'ny fotoana naovana batisa an'i Jesosy Kristy , koa rehefa nilatsaka taminy ny Fanahy Masina dia izao no teny re" Ity no zanako malalako, Izy no henoy"

Raha misy andrasana amin'ny olombelona ka anisan'izay sarotra dia ny "fihainona" Ahoana no ataoko hahazoko mihaino izay rehetra miresaka amiko isan'andro ? Rahoviana aho no afaka mihaino ? Aiza no toerana mahamety izany ? Afaka: mihaino ny vady, mihaino ny zanaka, mihaino ny namana, ny havana, ny marary noho ny antony maro samihafa aho ve ?.

Amin'izao fotoana hihainantsika izao, dia mamjaka ny teny sy ny serasera. Lasa ady sy resaka fotsiny no betsaka ka izay mahay miteny, na petsana ihany no mahazo ny laka, ary dia voatery mihaino azy ny rehetra. Lalàn'izay matanjaka.lalàn'ny fiainana, izay kely fitenana, sy malemy dia very..Noho izany dia very ilay fahafahana mihaino. tsy mihainon'iza na iza intsony ny olona.

Fa inona no mahahafa ilay fihainona lazain'ny Soratra masina eto ?Mametra-panotaniaiana isika : "Inona moa no tena zava dehibe nolazain'i Jesosy ka tokony mbola hohenoitsika ? .Tsy hitady zavatra lavitra isika Tsotra fotsiny ihany : "Tiava an'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra, , ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Nofintininy ny lalàna ary io no tokony ho henontsika. Raha afaka mihaino tsara izany isika ka mahatsapa tsara ny dikany dia hiova tahaka an'i Jesosy, ary hiova na dia izao tontolo izao aza. Tsy hiova isika, ary tsy hiova oity tany misy antsika ity raha tsy manam-pitiavana.

Ny fitiavana no zavatra tena tsara indindra eto amin'izao tontolo izao, ilaina tahaka ny rivotra, sy ny masoandro, sy ny rano, anefa ny fitiavana koa dia tena anisan'izay mareforefo, ary toa ho faty ka tsy ho hita intsony eto amin'izao tontolo izao..

Mitia, ambonin'ny ratran'ny fo sy ny ratran' ny tena, ary mijery ny hafa amin'ny masom-pitiavana. Mitia ny olona rehetra na inona fiaviana na inona, na aiza naiza misy azy, mitia na dia ny fahavalo aza satria azonao azo hatao ny mitia. Izay no hampiova antsika, na ny marimarina kokoa izay no hanangana antsika amin'ny maty. Ka hiovantsika tarehy tahaka Azy


Ilay fiovan-tarehin'ny Zanak'Andriamanitra, dia fiovanao sy fiovako koa, rehefa mijery ny fahantrana sy ny fahorian'ny hafa.isika Eo am-pihainona ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fomba samihafa isika. dia omeny fitiavana ny fomba fijerintsika, izay manaitra antsika eo anatrehan'ny famoizam-pon'ny rahalahy sy ny rahavavy, ka ho velona ao anatintsika indray ny afo ka tsy ho rendremana isika. Ny fihainona ny tenin'Andriamanitra no hanova ny fijerintsika sy ny fontsika.

Rehefa midina avy eny an-tendrombohitra isika miaraka amin'ny Tompo, dia handeha isika tahaka ny lehilahy sy vehivavy afaka, satria teo am-pihainona an'Andriamanitra, dia tsy msy na na inona na inona manakantsakana antsika , na hamatotra antsika.

Eo am-pihainona an'i Kristy isika, dia akaiky antsika ny lalàna, fa saingy tsy jioga ho antsika na entan-mavesatra. Raha manan-kambara ho an'ny rahalahy na rahavavy isika, amin'ny anaran'Andriamanitra , dia aoka hihaino Azy aloha .Avelao hiredona toy ny feon'ny amponga ao anatintsika ny Teniny, ary ho resy lahatr'izany isika.satia fantantsika, isika izay mihaino Azy. Fa ny Andriamanintsika dia fahaterahana . Ka dia misaora Azy manaiky hanova koa ny tenantsika, izany hoe ny maha izy antsika.

 

Tsarovy am-bavaka ireo izay ao anatin'ny korontana, na ny fahararina, singanina manoka eto i Goerges Rakotomala any Pragues sy ireo malagasy mikarakara azy any , mivavaka koa ho an'ireo izay nilaozan'ny hava malala..

Julia Rafenonirina, Mpitandrina

 

miverina ery ambony

 

NY MOFON'AINA

Teny hovakiana na perikopan'ny alahady 30 jolay 2000

II Mpanjaka 4 : 42-44

Efesiana 4 :1-6

Jaona 6 : 1-5

Ny perikopa dia ireo teny voalahatra ho vakiana isan'alahady, ka saika ny fiangonana kristiana rehetra no mampiasa azy. Misy ihany fiangonana sasany izay nanorina perikopa ho azy. Tsy misy tsininy loatra izany, fa vao maika aza mampanakarena .

Ireto toko sy andinin-tsoratra masina : Mpanjaka, Efesiana, Jaona dia nomena ny lohateny hoe : " Ny mofon'aina " Tsy voatanisa eto ny mety ho hevitra fonosiny, na adi-hevitra, na sary raiketin'ireo teny ireo, fa ho ferana izay lazaina eto androany. Raha manana Baiboly ianao dia vakio ireo teny ireo, mety na dia tsy amin'ny teny malagasy aza, fa mety hitondra hevitra hafa koa any aoriana.

II Mpanjaka 4 : 42-44 "

"Ary nisy lehilahy avy any Bala-salisa nitondra mofo avy amin'ny voaloham-bokatra ho an'ny lehilahin'andriamaintra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. dia hoy Elisa : Omeo ny olona hohaniny ireny. fa hoy kosa ny mpanompony : Hataoko ahoana no fametraka ity eo anolon'ny zato lahy ? Ary hoy indray Elisa : Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain'i Jehovah : Hihinana izy ary mbola hisy tsy lany. Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin'i Jehovah ".

Tsy voalaza eto izay naniraka ity olona ity hitondra mofo.Mofo voafidy roapolo isany , sy salohim-bary.. Elisa mpaminany no notolony azy ireo avy hatrany Elisa dia nilaza hoe : Zarao amin'ny olona ary aoka izy ireo hihinana." Indroa miverina ireo teny ireo ary ny teny hoe : mihinana dia inefatra miverina ao amin'ny fitanisana samihafa. Ny teny hoe : "Dia nisy sisa tsy lany" in-droa miverina. Elisa tsy nanontany na avy aiza na avyaiza ny mofo, fa avy hatrany dia nanome baiko hizara ny mofo ary dia nampanantena fa sisa tsy ho lany araka ny tenin'Andriamanitra. Eny, rehefa nihinana tokoa ireo olona 100 isany dia voky tokoa ê ! Voky ny olona, tena voky tanteraka, tena marina izay voalaza.

Efesiana 4 : 1-6

Vakio ireo andininy ireo , ary tadidio kely ireto andininy 4 - 6 manao hoe : " Iray ny tena ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana momba ny fiantsoana anareo, iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra. "

I Paoly apostoly no nanoratra ireo teny ireo. Manahirankirana antsika ihany ireto teny ireto, indrindra amin'izao fotoana izao. Ny mpino rehetra mantsy no ambarany etoana, nefa dia isan-karazny ny fiangonana fantatsika ( Eglise institutionnelle na visible no lazaiko eto , izay hafa noho ilay Fiangonana tsotra fotsiny, izay atao koa hoe : Eglise tsy hita maso : invisible. Izay mbola hohazavaina amin'ny lahatsoratra hafa any aoriana kely) . Hamafisina etoana fa iray ny tena, iray ny Fanahy …. Manambara avy hatrany izany, fa misy ny fisaratsarahana matoa, Paoly apostoly mampatsahy izany. Tsy vitsy tokoa mantsy ny mihevitra, fa ny finoana arahany ihany no marina, sisan'izay dia diso daholo .Miteraka ady sy faharavam-pihavanana aza indraindray izany. Raha raisina ara-bakiteny tokoa mantsy ny andininy faha 6 manao hoe : " Iray Andriamanitra, sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra … " dia tsy tokony hipetraka akory ny adim-pinoana. Ary io Andriamanitra voalaza eo io ihany no Andriamanitra hivavahan'ny Jiosy sy ny Kristiana ary ny Silamo sy ny hafa. Mbola tsy izao no handinihantsika , fa sava ranon'ando fotsiny ihany ity.satria tsy io no lohateny tena banjinina androany.

Jaona 6 : 1-15

Somary, lavalava ny teny, fa tsara ny hamakianao azy ao anatin'ny Baiboly aloha. Marihina manokana ireto fehezan-teny ireto : "… Ary Jesosy nanompy ny masony ary nahita fa nisy vaohaka betsaka nanaraka Azy,…Aiza no hahintantsika mofo hohanin'ireo ?…Fa hoy Filipo, na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy ho an'ireo … Misy zazalahy aty manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa…Fa hoy Jesosy : asaivo mipetraka ny olona. Dimy arivo ny isany …Nandray ny mofo Jesosy, nisaotra ary nizara ary dia nihinana ny olona "

Voky ny olona, nisy sisa tsy lany ary dia nangonina . Tantara tsy manavao intsony fa mitovitovy amin'izay hitantsika amin'i tantaran'i Elisa ao amin'ny bokin'ny Mpajaka izany. Tena motovy ê ! Mety ho nanontany tena ve i Filipo, raha nametrahan'i Jesosy ny fanotaniana : ..aiza no hividianana … Mieritreritra ary ve Jesosy io sa ahoana . Hatramin'ny nanarahanay Azy dia tsy nisy fifiram-bola izahay, fa navela ny asa , satria nantsoiny hanaraka Azy. Nahafantatra tsara izay hatao Jesosy saingy nilainy ihany ny nitsapa ny finoan'i Filipo. Inona no anton' izany ? Angamba mety nisalasala ny amin'izay voalazan'Andriamanitra ity Filipo ity .

Jereo ange i Andre ê, ahoana no nahitany zazalahy manana mofo dimy sy hazandrano roa. Ny vahoaka koa toa miandry zavatra, tanàna iray manotolo ( dimy arivo). Akoatry ny Efesiana izay teny noraisina androany, ny boky roa dia milaza sy miresaka sakafo. Kely no namahanana, nefa nahavoky olona betsaka ary nisy ambiny ny sakafo. Andriamanitra mizara hanina ary manana amby ampy. Misy tantara marobe hoatrin'izany ao amin'ny Baiboly. Asa raha fantatrao, rehefa tany amin'ny tany hay ny zanak'Israely, dia nomena mana izy ireo ary dia voky, kely nefa nahavelona … Toa mampahatsiaro antsika ny Fanasan'ny Tompo izany, indrindra rehefa mijery ny fihetsika nataon'i Jesosy .teo amin'ny vahoaka.isika.Sanatria tsy hampitovy ny Mpitandrina amin'i Jesosy isika, saingy hita an-tsary kosa izany rehefa mandray ny Fanasan'ny Tompo isika. Mivavaka ny Mpitandrina ary mizara ny mofo.Tsy mbola nisy fampiasana ny divay amin'ireo tantara roa hitantsika ao amin'ny Mpanjaka sy Jaona ireo, saingy kosa ny fihetsika dia hahatsiarovan'ny Fanasan'ny Tompo. Elisa tahaka ny Mpitandrina dia manatanteraka ihany izay nasain'Andriamanitra nataony fa Andriamanitra no manome. Ary ny fisian'ny mofo tsy lany eo amin'ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo dia mamapahatsiaro antsika ireo tantara roa ireo. Raha mbola mazoto mamaky ihany ianao dia jereo ireo teny voasoratra ao amin'ny :

Marka 6 : 32-44,

Lioka 9 :10-17,

Matio 14 : 13-21

izay milaza fa na samy hafa aza ny fomba fanoratana dia zavatra iray loha ihany kosa no tiana ho lazaina. Ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo dia ao anatin'ireo lazain'ny kristiana hoe : SAKRAMENTA . Amin'ny Protestanta dia roa no isany dia ny Batisa, sy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo . Amin'ireo havana Katolika kosa dia fito ny isany Hiverenantsika ary ny mofo izay lany ka nahavelona, . Amin'ny Kristiana ny mofo mahavelo dia Jesosy Kristy. Koa ahoana no hihinananao an'i Kristy ? Amin'ny alalan'ny teny torina. Ny toriteny tsy manambara an'i Jesosy ho fahavelomana na ho fiainana dia maivamaivana ihany. Ny Fandraisana ny fanasan'ny Tompo, dia fotoana fitorian-teny koa noho izy manambara an'i Jesosy ho mofo mahavelona. Ny tena sy ny ra raisintsika amin'ny alalan'ny mofo sy divay dia manambara an'i Jesosy Kristy.( Raha manana litorjia ianao dia jereo izany rehefa avy eo ) Raha izany ny fotoam-pivavahana misy Fandraisan'ny Fanasan'ny tompo dia handrenesanao toriteny roa. Indraindray dia ny hita maso no zava-dehibe amintsika, hany ka takona ilay tsy hita maso raiketiny dia Jesosy Kristy.Betsaka ny olona no manao hoe , rehefa misy " fandraisana " dia io no tena zava-dehibe . Ka inona izany ilay toriteny teo aloha amintsika? Hajaina ny mofo sy ny divay ; fa famantarana ny Tenin'Andriamanitra hita maso ihany ireo.Izay no maha toriteny azy.. Ny fandraisana an'i Jesosy Kristy ho mofon'aina mahavelona izay no zava-dehibe. ( Mbola hisy koa lahatsoratra momba ny mahasamihafa ny amin'ny finoana hafa ny hevitry ny fandraisana any aoriana)

Fanotaniana betsaka no tonga ao an-tsaina. Ahoana izany ireo Zatovo na ny olon-dehibe, mbola tsy mpandray, very ve izy ? Samy manana ny fomba handraisany sy hihaonany amin'ny Tompo ny olona tsirairay. Tsy hoe rehefa tsy mandray ny mofo sy divay dia meloka; Misy amin'ny alalan'ny teny na ny toriteny, na hira, na resaka fifanakalozana sns … no nahafantarany an'i Jesosy, ka nampiova fo azy, ary dia tonga nandray ny Tenin'Andriamanitra izy. Ianao efa mpandray dia mandray ny tenin'Andriamanitra indroa ianao izany rehefa misy ny fandraisana ; Amin'ny fomba tsy hita maso ( ny toriteny) ary amin'ny fomba hita maso (ny sakramenta) ; Ho an'izay tsy mbola mpandray ny fanasan'ny Tompo, tsy very izy akory, ary tsy misy tokony hitsara azy , fa ny Fanahy Masin' Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra.

Aoka tsy ho variana amin'ny sakafo tsy maharitra isika, ka handany fotoana fotsiny amin'ny hanim-pito loha. Indrindra moa rehefa tonga ny " été " dia betsaka ny fanasana. Hafa-po ve ianao rehefa niala tao ? Raha tsy tsapanao ilay mofo mahavelona, dia mahaiza manongilan-tsofina, ary mihainoa tsara.

Mbola betsaka ireo noana eto amin'izao tontolo izao, noho ny hasarotan'ny fiainana, noho ny rendrarendra izay mora manintona.Tsy mety manam-mpihonanana amin'ny vola, fa ny hahazo be ihany. Noana ara-tsaina, ara-nofo, ara-panahy, eny fa na dia aty amin'ny tany lazaina fa mandroso aza. Eny tena mivezivzy tokoa ny olona izay tsy mbola nandray ny mofon'aina, ka ianao izay vok'izany, dia mandehana mizara izany , fa momba anao ny Tompo, Ary mahereza ê . Tamin'ny alahady teo izahay (23 jolay 2000) dia nanoratra ho an'ireo valaka sy sasatra. Androany indray dia nampahatsiaro anao fa izay mandray sy mihinana ny mofo mahavelona dia Jesosy Kristy dia ho voky.Ary ho resy ny hasasarana sy ny fahakiviana.

Manao veloma anao tsy ho ela.

Julia DARSOT RAFENONIRINA

Mpitandrina

miverina ery ambony

 

.HO AN'IZAY VALAKA SASATRA

Ny volana Jolay sy Aogositra no tena hihetsehan'ny fianakaviana maro amin'ity antsoina hoe : fialan-tsasatra ity. Ny mpiasa moa efa nanomana ny fandaharanam-potoanany amin'ireo mpiara-miasa aminy, ny mpianatra indray dia efa manisa andro ary maika ery hamonjy ny toerana hialana sasatra.Ny vehivavy tsy miasa sy lehilahy eo am-pitadiavana asa dia mazana manaraka izay hitondran'ny hafa azy, fa tsy dia sahy miteny loatra.

Fa inona no hameno ity fialan-tsasatra 2000 ity ?

Eto Frantsa ny tsy afaka nandeha naka rivotra no heverina fa farahidiny indrindra, hany ka miafinafina sao hitan'ny olona fa tsy mba nandeha. Fa etsy andanin'izany koa ao ny mpianatra, izay voatery miasa mba hahazoana vola kely hanampy ny tena amin'ny fianarana fa ny andro ny fialan-tsasatra moa no hahazoana manao izany. Ao indray ireo voatery hamerina fanadinana amin'ny vola Serptembra, ka sakodiavatra raha handeha haka rivotra na tsia.

.Fa inona moa no tena ilaina an'ity fialan-tsasatra ity ?

Fa ny saika mampanahy dia ity. Rehefa any am-pialan-tsasatra any dia hadino Andriamanitra. Nefa ny maha-izy izay rehetra aleha dia IZY daholo.Ny ranomasina, ny tendrombohitra, ny masoandro, tsy olombelona no nanao izany fa Andriamanitra. Hono hoy aho tsy mba te hanana anjara amin'ny fiala-tsasatrao ve Andriamanitra ? Ny loza aza dia misy mihevitra fa any am-pakana rivotra any dia azo atao daholo ny zavatra rehetra.Misy ny mahavita ny toetra tsy mendrika hatao ny kristiana any, satria vakansa hono.

Ny tiako hamaranana azy dia na aiza na aiza no misy anao amin'ity fotoana ny filan-tsatra ity dia eo akaikinao foana Andriamanitra. Miara-mifaly aminao sy ny ankohonanao, mahlahelo amin'ny tsy mety hataonao, ary miara-mijanona aminao tsy mba afaka nandeha niala-sasatra. Fa na aiza na aiza ny misy anao dia te-hampiseho fitiavana anao foana ny Tompo tsy hadinony ianao ka matokia.

Eny ary fa dia amin'ny manaraka indray.

"Miovaova izao rehetra izao ry Tsy miova ô momba anay"

Tompo ô misaotra Anao amin'ny hery vavao omenao anay indray amin'izao fialan-tsasatra izao.

Julia RAFENONIRINA, Mpitandrina

miverina ery ambony

IZAO NOSORATRO

II Tesaloniana 3 : 17

Toa tsy azo fefena ny eritrerintsika tsy hanotany hoe : " Fa inona no tian'i Paoly ho lazaina amin'ity teny ity ? " Voatery hijery ny fomba nanoratana ny Epistily isika mba hahazoana mamaly izany. Tsy i Paoly akory no nanoratra an-tanana ny Epistily fa nanana ireo tovolahy toa an'i Silasy sy i Lioka sns… izy izay nandray an-tsoratra izay notononony. Ary rehefa mifarana izay tiany ho lazaina dia raisiny ny penina ka hoy izy hoe : omeo ahy amin'izay hanaovako ny teny farany., izay no hahitantsika amin'ny famaranana ny epistily sasany teny toy ny hoe : "Ity no veloma atao ny tanako izaho Paoly" Kolosiana 4 : 18, sy ny hoe : "Indro ny hahavaventin'ny soratro izay soratan'ny tanako ho anareo" Galatiana 6 : 11. Ny antony dia ny mba hilazana fa azy mihintsy ny epistily nosoratana. Hita ao amin'ny takelaka noho izany ny soratan'ireo tovolahy mpanoratra , angamba ho voakaly be style, nefa tazana eo koa ny soratra bakatrakatraka, lehibe nataon'i Paoly.

Fa inona no azo tsoahina amin'ity teny ity. zavatra telo no misongadina raha ny soratra no lazaina :

  1. Mitokana ny soratra
  2. Miteny ny soratra
  3. Maharitra ny soratra

Mitokana ny soratra. Ny mpandinika maro momba ny soratra dia milaza fa tsy mety mitovy mihintsy ny soratry ny olona tsirairay avy. Toa milaza amintsika izany hoe : tsy tokony hitovy soratra amin'ny hafa isika. Mbola betsaka ny kristiana rehefa alahady fa mpangalatra akoho alatsinainy. Hoy ny Soratra Masina : "Inona no ataonareo mihoatra noho ny hafa".Noho izany tsy hoe tsy tokony hitovy amin'ny mpangalatra sy ny mpandainga sy ny mpamono olona fotsiny ny soratsika fa tokony hiohatra ny hafa, hiohatra ny kristiana, hiohatra ny Mpandray, ny Diakona, ny Mpitandrina aza. Tokony hioatra, izany hoe : ho tsaratsara kokoa. Ary tokony hiohatra antsika aza, ka ny izaho anio tsaratsara kokoa noho ny izao omaly ary ny izaho rahampitso ho tsara noho ny anio.

Miteny ny soratra. Tsy ho nisy nilana azy ny soratra raha tsy soratra miteny. Avy amin'ny alalan'ny soratra noho hitenenan'ny mpanoratra amintsika. Miteny amintsika ny soratra voarakitra ao aminny Babiboly. Tonga tany Angleterre ity vahiny iray ary tao amin'ny tanana nivahinianany ny zavatra nahagaga azy dia ny nahita ny olona ao an-tanana miarahaba an'ilay mpamafa lalana. Tsy fanao izany ka dia tena nahagaga azy satria na kely na lehibe dia nanao izany avokoa. Tsy naharitra izy fa dia nanotany : "Fa nahoana ianareo no miarahaba an'io mpamafa lalana io daholo.". Izao no valiteny azony : "Miarahaba azy izay satria tazanay ao aminy Jesosy. Ny fitiavany, ny fahamarinany, ny fahamasiny hahatsinjovanay an'i Jesosy. Ry havako mba miteny tahaka izany koa ve ny soratsika, milaza an'i Jesosy ve ny toetratsika. ? Antsika no mamaly azy.

Marahitra ny soratra. Efa ho roa arivo taona izay no nanoratana ny Babiboly, nefa dia mbola tavela mandrak'ankehitry ny soratra ao anatiny. Misy ireo mpanoratra hafa koa efa an-jato tanaony maro no nanoratany nefa dia mbola voatahiry foana ny asa nataony. Haharitra ny soratsika koa, mahaiza manoratra ry havako, kalio ny soratrao. Inona noho voatahiry momba anao, ireo toetrana ratsy ve sa ireo toetra maha-te ho tia tokony hahafantarana ny kristiana. Raha haharitra ny soratra amin-javatra mafy hanoratana ny soratrao. Hoy RAMIANDRAVOLA tamin-dRASALAMA, :" Noho ny rà iraisana ry kala ratsy ity mingosoa. Nefa hoy RASALAMA ny anarako tsy ho soratako amin'izany rà iraisana izany, ny anarako ho soratako amin'i Jesosy. Jesosy no maharitra ka soraty ao aminy ny anaranao.

Farany mitazana anao Kristiana izao tontolo izao; Asa re raha mbola marina ihany ny tenin'i GANDHI hoe raha tanteraky ny kristiana ny ny voalaza ao amin'ny BAIBOLY dia hiova ho Kristiana aho. Raha izany no mbola marina dia betsaka ny kristiana tsy hay ny olona vakina akory ny sorany.Angamba tsy ianao io ry havako

Laza RAFENONIRINA

Mpitandrina Mpandrindra Tafo Nancy

 

miverina ety ambony

 

 

TSY HIANAREO NO NIFIDY AHY FA IZAHO NO NIFIDY ANAREO

Ampitomboina mandrakariva ho anareo anie ny fahsoavan'Ilay tia antsika

Teny ho vakiana Jaona 15 : 16

Teny diso haitsika tsianjery fa mazàna torina na fara faharatsiny vakiana rehefa misy fotoana fanokanana diakona na fanokana Mpiatndrina. Hay tsianjery ka tsy fantatsika loatra intsony ny zavatra raiketiny. Nefa dia teny manaitra sy tokony hampahalahelo aza, satria ambaran'ny Tompo fa : ilay isika nanapa-kevitra hiditra mpandray ny fanasan'ny Tompo iny ohatra dia tsy nisy anjarantsika mihintsy tamin'izany fa Azy irery ihany.

Vao avy nandreha ny Tompo niteny zavatra mahafinaritra loatra ny mpianatra. Hoy mantsy Jesosy taminy : Tsy ataoko hoe mpanompo intsony hianareo... fa ataoko hoe : sakaiza. Tampoka teo indro indray Jesosy miteny aminy fa ny naha tonga azy ho mpianatra dia tsy misy avy aminy fa avy amin'ny Tompo daholo. Toa hitantsika ny mpianatra miteny hoe : "Dia izahay, nanndao ny fianakavianay, ny fanananay ve Jesosy dia heverinao fa tsy mba nisy na dia kely fotsiny aza mba anjaranay tao ?" Ary moa tsy toa izany koa ve no fisainantsika mazàna. Nefa rehefa mijery ny voalaza ao amin'ny Jeremia 1 and 5 isika manao hoe : "Hatry fony hianao mbola tsy noforoniko tany an-kibo ... no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany." Izany hoe mbola tsy niforona izay safidintsika dia efa nofidiny isika, koa aiza ry havako izay anjarantsika amin'izany ?

Fa naninona ny Tompo no nifidy antsika ? Nifidy antsika Izy satria mahafantatra tsara Azy isika. Iza indray no hahafantatra azy mihoatra antsika kristiana. Fantantsika tsara ilay Jesosy nanavotra antsika tamin'ny zava-manahirana nahazo antsika. Fantantsika tsara Ilay maty nefa nitsangana tamin'ny maty hamonjy antsika. Nefa nifidy antsika koa Izy satria fantany tsara isika. Fantany ny hafanam-pontsika, fantany ny asa ataontsika, nefa fantany koa ny fahalementsika, ny fahatsotsantsika. Rehefa nandanjalanja izany rehetra izany ny Tompo dia tiantsika ka nifidy antsika.

Fa nifidy antsika hanao inona ny Tompo. Nifidy antsika Jesosy ka naniraka antsika ho ao an-tokatranotsika. Dray Jesosy ! Dia ny tokatranoko, tokatran'ny Mpitandrina ve ? Inona indray Jesosy no mbola heverinao fa tokony hamboarina ao ? Nefa ry havana dia tena manjaka ao an-tokatranontsika tokoa ve Jesosy. Hanjakan'ny fitiavana ve ilay tokatranontsika ? Tsinjo sy tazana ao ve ny fahamarina, sy ny fahamasina mendrika ny tokatrano kristiana. Moa ve tsy zara raha hamakiana ny baiboly ilay tokatranotsika indraindray ary misy aza tokatrano tsy mahita vavaka mihintsy ao anatin'iray andro. Nefa dia tokatrano kristiana. Ary raha mbola izany no hita nahoana Jesosy no tsy mbola nifidy antsika ka maniraka antsika ho ao antokatranotsika.

Maniraka antsika koa Jesosy ho ao am-piangonana. Raha ny tokatranotsika angamba azo leferina ihany fa ny Fiangonana ve, inona indray no mbola hatao ao ? Moa tsy ny Fiangonana ve no ilay Tempoly hitoeran'ny Tompo ? Nefa dia izany tokoa ve no izy ? Moa tsy mbola hita ao am-piangonana irony Mpandray ny Fanasan'ny Tompo mifanjola ? Moa tsy mbola fahita ve ny Diakona tsy mety miara-piketraka akory ? Tsy vitsy koa ny fifandonana etsy sy ero : Ny tanora sy ny ray aman-dreny. Ny Antoko Mpihira mizarazara sy ny sisa... Raha mbola izany no hita, mbola mila antsika ny Tompo hanamboatra izany.

Mila antsika koa ny Tompo hanamboatra ny Firenena. Mitairana mafy isika noho ny tsolotra, ny halatra, ny vakitrano, ny famonoana olona aza. Nefa iza ireo manao izany. Mazàna misy amin'izy ireo vita batisa, mpandray ny Fanasan'ny Tompo , Diakona, Mpitandrina aza. Dia mikikika isika, manome tsiny, manilika andraikitra. Matoa tsy nadeha ny firenena dia noho i Ranona. Hadinontsika anefa na dia ny mivavaka ho an'ireny olona ireny aza. Ary raha tsy hanao izany isika Kristiana. iza indray no hanao izany ? Sodokan'ny fiainana migolabina aty andafy isika ka tsy tsaroana akory ilay tanindrazana indraindray. Ry havako mbola mila antsika ny Tompo hanamboatra an'i Madagasikara. Tiany ho Nosy Sambatra ny tanindrazantsika ary tsy nahita olona hanamboatra izany izy afatsy isika.

Tsy mora izany andraikitra rehetra izany. Nefa kosa raha miaraka amitsika ny Tompo tsy maintsy ho tanterak'isika izany. Ny irariako dia enga anie ka tsy ho nanenina ny Tompo nifidy antsika.

Laza RAFENONIRINA

Mpitandrina Mpandrindra Tafo Nancy

 

 

miverina ery ambony

NIARAKA TAMINAO JESOSY, SAINGY TSY FANTATRAO

Ampitomboina mandrakariva ho anareo anie ny fahsoavan'Ilay tia antsika Teny ho vakiana Lioka 24 : 14-35 Raha niezaka nitady ny toerana misy an'i Emaosy ny mpandinika dia nilaza fa misy toerana efatra afaka mamaly tsara ny misy azy any Palestina . Ary ireo raki-tsoratra hananana dia milaza fa 60 ka hatramin'ny 160 stadio miala an'i Jerosalema no mety misy azy. Toa manambara amintsika izany fa ny misy any Emaosy dia izay toerana niarahan'ny olona nadeha tamin'ny Tompo nefa tsy fantany. Ary moa tsy mazàna miatra amintsika izany. Eo ankaikintsika mandrakariva Andriamanitra saigny tsy fantatsika,. Hoy Jaona Mpanao Batisa : "Eo aminareo misy Anankiray izay tsy fantatrareo" Jaona 1 : 26.

Eny ry havako malala miaraka amintsika mandrakariva Jesosy, araka ny efa nolazainy, ambara--pahatonga ny fahataperan' izao tontolo izao Matio 28 : 20 Ny Filazantsara no manambara amintsika androany fomba roa hahazoantsika mamantatra an'i Jesosy velona eny an-dalana ombantsika. Eo amin'ny fiainantsika indraindray dia misy ny fahakivina, ny fahadisoam-panantenana. Mafy loatra mazàna ny fiainana ka toa teha-hikiaka isika hoe : " Misy ihany ve izao Andriamanitra izao ? " Nefa Jesosy tsy lavitra antsika. Eo Izy ao anatin'ny fahatsotsatsika sy ny fahalementsika aza izy. Mety ho mahalala betsaka ny momba an'i Jeosy isika saingy tsy tena mahafantatra azy tanteraka. Noho izany dia toa mihafina amintsika Izy. Toa ny nandao antsika mihintsy aza no hiheverantsika azy. Kanefa dia eo Izy. Izy roa lahy nandeha ho any Emaosy ireto dia tena kivy tanteraka. Nefa dia tena nahafantatra an'i Jesosy. Fanatany tsara fa avy any Nazareta Jesosy. Nambarany fa Mpaminany lehibe, mahery amin'ny teniny sy ny asany, nitoriteny tetsy sy teroa, nanasitrana, nanao fahagagana, voaheloky ny mpisorona ho faty, nohomboina tamin'ny hazo fijaliana. Ary nanampy izany dia nambarany fa ny vehivavy namany dia nilaza fa foana ny fasana nandevenana Azy, nolazaina aza fa nahita anjely ireo vehivavy ireo izay nilaza fe velona Jeosy. Raha ny marina dia ny Filazantsara iray manontolo mihintsy no notantarainy. Koa nahoana no kivy ? inona no tsy ampy ? Ny Finoana. Hay tsianjery ny fanekem-pinoana fa tsy latsaka tao am-po. Jesosy niteny azy mafy hoe : "Ry adala sy votsa saina, ka tsy mino…" Moa ry havana tsy toy izany koa va isika indraindray, hany ka tampina ny masontsika ka tsy mahita an'i Jesosy.

Fantatry ny Tompo ny tsy ampy tamin'izy roalahy. Noho izany dia nilainy ny niara-nijery taminy ny Soratra Masina amin'ny fomba hafa. Nasehon'ny Tompo taminy ny tantaran'ny famonjena. Natombony tany amin'ny Mosesy izany ary nohezahany ny hahafantaran'izy roalahy an'ilay Famonjenan'Andriamanitra, maty ary nitsangana tamin'ny maty. Raha tsy fantany izany na dia eo ankaiky aza ny Tompo mbola tsy ho hitany ihany. Ny fihezahantsika hamaky ny tenin'Andriamanitra, ka hitady ao anatin'izany Ilay maty nefa velona no fomba iray hahitantsika ny Tompo. Ny soratra Masina, tenin'Andriamanitra iainantsika no hisokafan'ny masontsika hahita ny Tompo eo akaikintsika. Izay ny fomba voalohany nasehon'i Jesosy.

Fa na izany aza tsy mbola nahafantatra ny Tompo ihany izy roalahy. Tsy nisokatra ny masony raha tsy efa nandray ny mofo Jesosy ary rehefa nisaotra dia namaky ny mofo ary nalotro azy izany. Lasa Ilay vahiny indray no tompo trano. Raha tsy avelantsika hanjaka ao an-tokatranontsika ny Tompo tsy hahita Azy isika. Raha mbola ataontsika ho filan-tsy mahita ihany izy, ka rehefa sahirana vao antsoina, tsy hahita azy isika. Hoy Jeosy :"Indro efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandodona. Raha misy mandreha ny feoko ka mamoha ny varavarany dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy ary izy ho amiko. " Raha tsy miray tanteraka amin'ny Tompo isika, dia mbola tsy hahita ny Tompo ihany isika. Ny hangatahako amin'ny Tompo dia ny hahazoanao hahita.

Hivavaka isika Vohay ny Masoko ry Tompo ô Hahaizako izao mibanjina Anao Hasehoy ahy re ny famarinanao Vohay ny masoko ry Tompo. Ampaladio koa ny sofiko Handreha ny teny soa torina amiko Lazao amiko ny sitrakao hatao Izay no hataoko ry Tompo Ny foko hazavao ry Tompo Sokafy hatrizao ka midira ao Ao no honenanao satria Tempolinao Ny foko hazavao ry Tompo Homba anareo mandrakariva anie ny Tompo

 

Laza RAFENONIRINA

Mpitanndrina Mpandrindra Tafo Nancy

 

 

miverina ery ambony

 

Miverina ery amin'ny trano fandraisana

 

IREO TORITENY METY HO HITA ATO

OMEO HO AN'ANDRIAMANITRA

BARTIMEO JAMBA

Fa Mpamonjy no teraka

TALENTA

HAKANY AMIN'IZAY MOA IZAHAY

MOFO VELONA

FIAINAN'IZAO TONTOLO IZAO

MIOVA TAREHY

NY MOFON'AINA

HO AN'IZAY VALAKA SASATRA

IZAO NO SORATRO

TSY HIANAREO NO NIFIDY AHY

MIARAKA TAMINAO JESOSY