Faha 35 taona niorenan

Faha 35 taona niorenan'ny Chorale Ambohitantely

 

"Ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hiobiako"
Sal 63 : 7b

Nosokafana ny faha 30/04/2000 ny fankalazana ny faha 35 taona nijoroan'ny Chorale Ambohitantely. Ny teny faneva nentina nankalazana izany dia nalaina tao amin'ny tononkiran'ny Salamo toko 63 andininy 7.

Ny alahadin'ny Chorale izay misy isan-taona moa no nentina nanokafana izany ka tori-teny an-kira no natao nandritra ny fotoam-pivavahana.

Nahitana karazan-kira maro izay nahafantarana ny Chorale hatramin'izay 35 nihoroany izay ka anisan'izany, ary nasongadina mihintsy ny hira faneva : "Raha mierina".

Raha mierin'izany fotoana
Miavaka sady tsaroana
Ny faha 35 taona
Nihirana ary koa nijoroana
Mitamberina mby ao an-tsaina
Fa nifofotra nikely aina

Miarihary fa ny Tompo no nanome
Talenta mba ho enti-mijery
Ireo asa-pitiavana izay marobe
Mbola Izy no nanafy hery
Hanefana ireo asa sy adidy
Koa tsy rariny ve raha tadidy

 

 

Ka isaory
Isaory fa tsara indrindra
'Lay toky iray tsy midindra
Dia Jehovah, 'Lay Tompon'ny Tompo
Mpanjaka lehibe

Haleloia !
Venteso ny dera sy laza
Ankaro
Ankaro ny feo hankalaza
Atolory
Atolory ny haja sy ny voninahitra mandrakizay

Raoelison Willy

Ny fankalazana moa dia mbola nitohy ihany ka maro ny hetsika tontosa tamin'izany nentina nanamarika izany. Tao ny nanaovana ny konseritra goavana ho an'ny firenena ny faha-25 volana jona 2000, narahina ny fitetezana faritra, tao koa ny fankalazana ny alin'ny 24 desambra 2000 izay krismasy ho fahatsiarovana ny faha-2000 taonan'ny nahaterahan'i Kristy, sy krismasy farany tamin'ny arivo-taona faharoa, izay nampitondraina ny hoe "Noely Aterin'Eto". Tao koa ny fanakalozana mofo-mamy ho vola.

Marihana fa namatsiana ara-bola izay asa natao dia ny nanatontosana ny fiaraha-misakafo narahina korana tany Behenjy Itaosy ny alin'ny 31 marsa 2000. An-tapitrisany maro tokoa no vola voaangona tamin'izany.

WB01627_.gif (253 octets)
Retour à la page accueil
fodiana