Fanolorana amin

wpe1.jpg (3620 octets)

wpe8.jpg (5570 octets)

Fanolorana amin'ny ankapobeny ny Chorale Ambohitantely

 

La Chorale Ambohitantely est une branche vivante de la Paroisse Ambohitantely, dont le principal objectif est de développer le Royaume de Dieu par la musique, le chant et d'autres choses.

Iza marina moa izany Chorale Ambohitantely izany ?

Ny Chorale Ambohitantely dia sampana velona eo anivon'ny fiangonana FJKM Ambohitantely. Tafiditra amin'ny antsoina hoe "antoko-mpihira" izy. Araka izany dia ny hira sy ny mozika, na koa ny fitoriana ny filazantsara amin'ny alalan'ny hira sy ny mozika no teny iompanany.

Tanjona

Ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra no tanjona iompanany amin'izany, ary amin'ny alalan'ny tori-teny an'kira no hanatanterahana izany.

"Hijoro ho vavolombelon'ny fanafahana ao amin'ny Kristy, ka hitory izany amin'ny alalan'ny talenta nomen'Andriamanitra azy", izany no sori-dalàna fototra ezahan'ny Chorale Ambohitantely arahina.

Manaraka izany, dia noho ny maha fikambanana tanora azy dia vain-doha-draharaha ny fifampitaizana. Ny tena nokendrena amin'izany dia ny fampianarana ny tanora handray andraikitra eo amin'ny sahan'ny asam-piangonana sy eo amin'ny sehatra rehetra ivelan'ny fiangonana, ary ny hananany faharetana hanatanteraka izany andraikitra mankadiry izany amin'ny fahamarinana sy amin'ny fitiavana. Tsy ho hajan'ny fiangonana irery ihany, fa ho hajan'ny tanora Kristiana rehetra mihitsy, hanatanterahana ilay tenin'ny Apostoly Petera hoe :

"Fa araka ny fahamasinan'Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin'ny fitondran-tena rehetra"
(I Pet. 1: 15)

Famantarana

Sarim-boromailala, ho mariky ny Fanahy Masina apariaky ny Tompo ho antsika ary ny loko manga tanora sy volom-bato, manambara ny fahamarinana sy ny talenta no manamarika azy.

Fivoriana

Isaky ny asabotsy manomboka amin'ny 3 ora sy sasany tolak'andro no fotoana ifanomezan'ny mpikambana ao amin'ny Chorale Ambohitantely ho famerenan-kira, ka ao amin'ny trano fiangonana ihany izany mazana. Indraindray anefa noho ny antony maro tsy azo vinavinaina ohatra fifampiarahabana tratry ny taona, na zavatra hafa dia any amin'ny tokatranon'ny mpikambana sasantsasany no hanatanterahana izany famerenan-kira izany.

Ny mpikambana

Tanora 7 ka hatramin'ny 77 taona, mahay na tsy mahay mihira, tsy manavaka fihaviana na firazanana, ary tsy mijery fiodirana no olona beazin'ny Chorale Ambohitantely.

Efa an-jatony maro no nandalo sy niriaria tamin'ny Chorale Ambohitantely nandritra izay 35 nitoriany ny filazan-tsara izay. Misy tamin'ireo no efa nodi-mandry, ao ireo izay manana ny toerana goavana eo amin'ny sehatry ny firenena na ny fiangonana.

Ankehitriny dia maherin'ny 60 eo no ho eo no isan'ny mpikambana amperin'asa ao amin'ny Chorale Ambohitantely, maro amin'ireo anefa no voatana noho ny raharaha maro isan-karazany, ao ny tsy mazoto noho ny antony tsy ho lazaina eto, noho izany dia eo amin'ny 30 ka hatramin'ny 40 eo no ho eo ny tena mpikambana mahafatra-mpo , izay manatanteraka tsy tapaka ireo programan'asa tontosain'ny Chorale.

Tsy misy fempetra manokana ny fitoriana ny filazantsara amin'ny alalalan'ny hira. Noho izany dia asain'ny Chorale Ambohitantely amin'ny tanan-droa ianareo rehetra ho isan'ny mpikambana.

Andraikitra manokana sahanin'ny Chorale Ambohitantely aza amin'izany ny manabe ireo tanora liana sy maniry ny hahay mihira sy hahalala bebe kokoa ny teknikan'ny fihirana. Koa tamin'izany dia efa nandefa vazaha matianina nandia fianarana tany amin'irony Conservatoire irony ny Chorale Ambohitantely mba hanatsarana ny fomba fiasa sy ho fanitaram-pahalalana.

Fidiram-bola

Ary satria tsy maintsy mampiasa vola ny Chorale Ambohitantely, dia tsy maintsy mitady vola. Fidiram-bola maharitra, no sady azo antoka ny fandrotrahana ny rakitra isan'asabotsy. Manaraka izany dia ao koa ny fanakalozana ho vola ireo mofo-mamy isaky ny fotoan-dehibe (Krismasy, Taom-baovao, Paska, ...).  Ao koa ireo Konseritra andoavam-bola, na hanatazana rakitra, na angatahana fanampiana avy any ivelany. Noho izany dia azo lazaina ho mbola malalaka ny fitadiavam-bolan'ny Chorale ankehitriny.

Rafitra ankapobeny

Tsotra ny fomba fiasa eo anivon'ny Chorale Ambohitantely. Ny fanabeazana sy ny fitaizana moa no tena tanjona anatin'ny Chorale Ambohitantely noho izany dia ny fanomezana andraikitra ireo mpikambana tsy an-kanavara mifandrify ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra azy ny tsirairay.

Toa izao ary ny antanantohatra itondrany ny Chorale Ambohitantely amin'izany:

Araka ny hitantsika eo amin'ny sary dia voarafitra mazava ny fitantanana eto amin'ny Chorale Ambohitantely. Ahafahana manaparitaka ny fanapahan-kevitra sy ny andraikitra ny fomba fitantanana toa izao. Paik'ady fanaparitahana ny fahefana (Stratégie Empowerment) moa no iompanana. Koa noho izany dia tsy tonga lafatra ny fitantanana fa mihezaka ny tsirairay hampandroso ny fikambanana araka izay traikefa sy fahalalana hananany.

Manajemenitra

Talohan'ny taona 99 dia fomba fitantanana mahazatra nolovaina tamin'ny fanjakana frantsay no nitondrana ny Chorale Ambohitantely. Tsapa anefa fa nanana ny maha-ratsy azy izany fitantanana izany ka nanapakevitra ny mpikambana tamin'ny fihaonam-be jeneraly tamin'ny volana jolay 99 fa ovana izany fitantanana izany ary nandramana ny fitondrana "collégiale" izay hoe, miainga eo anivon'ny mpikambana ny fandraisana ny andraikitra sy ny fampandrosoana ny asa.

Ankehitriny dia noezahina ho tanterahina ny fomba fitondrana manaraka ny firehan-kevitra "adhocratie" izay midika ho fananganana vondrona na vaomiera kely nantsoina hoe soba-komity hanatanteraka ny asa kinasa. ary eo ampanandramana izany fomba fitondra izany ny Chorale Ambohitantely amin'izao.

 

WB01627_.gif (253 octets)
Retour à la page accueil
fodiana