Asa hifotoran

accuei2.jpg (9065 octets)

wpe4.jpg (6066 octets)

 

fanolo1.jpg (11111 octets) Zavatra maro no iompanan'ny Chorale Ambohitantely. Amin'ny fikambanana kristiana azy dia ny zava-kinendry voalohany indrindra hijoroany dia ny ho fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra. Fomba maro ary no hanatontosany izany :
  • Fanafanana ny fotoam-pivavahana amin'ny alalan'ny hira isaky ny alahady fandraisana sy ny fotoan-dehibe rehetra. Natao vaindohan-draharaha ary noho izany ny fiarahana miasa amin'ireo sampana samihafa eto amin'ny fiangonana. Ary tsy misalasala mihitsy ny Chorale Ambohitantely mamaly izay ho fangatahana apetrak'ireo sampana samihafa ireo.
  • Fitoriana filazan-tsara amin'ny alalan'ny hira. Fifaliana ho an'ny mpikambana ao amin'ny Chorale Ambohitantely ny manatrika sy manafana ireny fotoana samihafa any ivelan'ny fiangonana ireny. Ohatra fanasana avy amin'ny Fiangonana hafa.
  • Fampianarana fiainana sy fanabeazana ary fampandrosoana ny fiainam-panahy. Io sehatra io no tena ilofosan'ny Chorale Ambohitantely. Noho izany dia manokana fotoana kely manokana ho an'ny fitaizana ny aram-panahy, fanabeazana ho olom-pirenena, ... ny Chorale Ambohitantely isan-Asabotsy.

Ankoatra ireo Konseritra goavana, izay fanao fara-fahakeliny in-dray isan-taona, na koa ireo kaonseritra manaraka thème manokana. Dia fanaon'ny Chorale Ambohitantely ny manatanteraka tantara an-tsehatra. Matetika izany dia ho fanafanana ny sasak'alin'ny Krismasy, na ny herin'andro masina, ary efa nisy ny fanatontosana ny tantara an-tsehatra ivelan'ireo andro manan-daza ireo.

Tsy hoe nihanona fotsiny tamin'ireo voalaza teo aloha ireo akory ny Chorale Ambohitantely, fa nanao ho zava-dehibe koa ny fiaraha-miasa sy ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra niarahany tamin'ny foibe FJKM (Farimbon'Asan'ny Tanora Protestanta, Synoda Lehibe Toamasina sy Mahajanga, ...). Ohatra koa ny fitsidihana ny marary eny amin'ny hopitaly, fanampiana ny eny Tangaina sy Manakavaly, ...

Ary ho fanatanterahana ireo andraikitra mankadiry miandry, sy ho fampandrosoana ny asan'ny Tompo dia manao fitadiavam-bola amin'ny endrika maro ny Chorale Ambohitantely ohatra misongadina amin'izany ny varotra mofo-mamy isaky ny fotoan-dehibe, na ny fanatontosana irony lanonana fiaraha-misakafo na amin'ny alina na amin'ny atoandro ireny.

Asa novokarina

 

Raha hiantso ny Chorale Ambohitantely hihira

Fifaliana lalan-dava ho an'ny Chorale Ambohitantely ny manatanteraka ny fitoriana ny filazan-tsara amin'ny alalan'ny hira. Noho izany dia sarotra aminy ny mandà ireny fiantsoana sy fangatahana azy hihira ireny. Koa raha misy manana faniriana hiaraka amin'ny Chorale Ambohitantely dia aza misalasala manantona ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.

Amin'ny ankapobeny dia maimaim-poana ny fivoahana ataon'ny Chorale Ambohitantely. Misy ihany anefa ny fepetra maro izay tsara arahina, izay azo ivalozana, satria ny Chorale Ambohitantely dia fikambanana miankindoha tanteraka amin'Andriamanitra.

Fepetra

           Mampilaza 3 herin'andro mialoha
           Raha lavitra dia miantoka ny fitanterana
           Miantoka ny fanamafisam-peo

Ifandraisana amin'ny Chorale Ambohitantely

www.multimania.com/caambohitantely

e mail :     caambohitantely@multimania.com
               chorale.ambohitantely@yahoo.fr

Adresse :  Lot VA 15 Ambohitantely - Antananarivo 101 (M. Ndrina : Akany Ambohitantely)
               Razakarivony Lianasoa : Anosibe Anarangarana

Tél.:    Mme Raharijaona Emma Michou - 033 11 705 58
           M. Razafimanantsoa Lala Arthur - 032 02 409 58
           M. Razakarivony Liana - 020 22 283 89

Chef de choeur : M. Raoelison Willy - 020 22 611 61

WB01627_.gif (253 octets)
Retour à la page accueil
fodiana