

Comment, la Chorale Ambohitantely a été créée ?
Ny fiforonany
|
|
Au cours de la célébration du 100e anniversaire de l'Eglise Ambohitantely en 1963, la branche STK Sampana Tanora Kristiana fleurissait, branche qui regroupe les jeunes de 7 à 77 ans. C'est de là que l'idée de créer une chorale au sein de la paroisse naquit. Un comité a été créé pour mettre sur pied le projet. Ainsi, vers la fin de l'année 1964, une nouvelle branche a vue le jour. C'est la naissance officielle de la "Chorale Ambohitantely". L'emblème retenu fut, "la colombe" qui symbolise le Saint Esprit. |
Raha nankalaza ny faha-100 taonany ny fiangonana Ambohitantely tamin'ny taona 1963, dia niroborobo fatratra tokoa ny Sampana Tanora Kristiana satria maro ireo tanora nirotsaka an-tsehatra handray andraikitra tandrify azy tamin'ny fampandrosoana ny asan'ny fiangonana.
Tao anatin'izany no nipoiran'ny hevitra avy amin'ny maro hanangana Antokom-pihira eo anivon'ny Fiangonana. Rehefa namolavola ny "vaomieran'ny Hira sy Mozika" teo amin'ny STK, ny faramparan'ny taona 1964 dia nijoro ny ho sampana iray ao anatin'ny Fikambanana Tanora Kristiana ny "Chorale Ambohitantely", izay mbola tsy niova ny anarany hatramin'izao.
"Hijoro ho
vavolombelon'ny fanafahana ao amin'ny Kristy, ka hitory izany
amin'ny alalan'ny talenta nomen'Andriamanitra azy",
izany no
sori-dàlana fototra nezahan'ny Chorale harahina. Noraisina ho sary faneva ny
sarim-boromailala, toy ny eo amin'ny polipitra, sary izany maneho ny Fanahy
masina arotsaky ny Tompo ho an'izay fidiny ho vavolombelony.
Hotsongaina
manokana ireo havana, zoky izay angady nananana sy vy nahitana izay efa
nodimandry dia: Itpk Rabearisoa Hery, Andriamihasoa Désiré, Sera Yarison Faustin,
Itvavy Andriamampandry Yollande, Randrianarison Désiré Lalao.
Isaorana ny
Tompo nanome ireny mpanompony ireny ary dia ho tahiana anie y fahatsiarovana
azy.
Les grandes dates
Vanim-potoana nisongadina
|
1964 |
Création |
|
1967 |
La Chorale Ambohitantely effectuait sa première sortie
évangélisation à Vatomandry. |
|
1973 |
Sortie de la première disque 45 tours "O ! Iza
Iza" et "Mino aho" de BESSA |
|
1978 |
Sortie de l'album cassette volume 1. |
|
1981 |
|
|
1985 |
Célébration du 20eme anniversaire |
|
|
Grand festival évangélique à
Antsahamanitra avec la participation de 7 artistes de renom et 7 autres
chorales. Thème :
"Car
il est beau de célébrer notre Dieu" Ps.
147 1 Fanatontosana ny "Grand Festival
évangélique" miarahana nanantontosa tamin'ny mpanakanto matianina 7 sy
ireo antoko mpihira nankalaza ny jobiliny avy. |
|
1988 |
Evangélisation à Tamatave
pendant 11 jours. |
|
1990 |
Célébration
du 25eme anniversaire |
|
|
Sortie du second album cassette "Fa tsara ny mihira ho
an'Andriamanitsika" |
|
1993 |
Premier prix du concours "Kristiana mikolo ny tontolo
iainana" organisé par la "Trano Mampiely Baiboly Malagasy",
avec la participation d'une dizaine de Chorale. |
|
1994 |
Sortie évangélisation à Majunga à l'occasion du 14eme
"Zaikaben'ny STK FJKM" |
|
1995 |
Célébration du 30eme anniversaire de la Chorale
Ambohitantely. "Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra" Kol. 3.16 |
|
1996 |
Evangélisation à Moramanga pendant 5 jours. |
|
1997 |
Participation au jubilé du Rév.
Richard Andriamanjato |
|
1998 |
|
|
1999 |
Participation au jubilé 40e anniversaire de BESSA, concert
avec la participation des artistes de renom comme Lalatiana, Rija
Ramanantoanina, Mbolatiana, Bodo et bien sûre BESSA & Lola. Participation au Noël Inédit organisé par MADA VISION au Palais National de la Culture, et des Sports Fanatontosana ny konseritra goavana tsy nandoavam-bola ho fankalazana ny jobily faha-40 taona namoronan’i BESSA hira, tao amin'ny FJKM Ambohitantely niarahana tamin'ireo mpanakanto matianina toan'dry Lalatiana, Rija Ramanantoanina, Mbolatiana, Bodo ary indrindra i Bessa sy ny tariny. Fandraisam-peo
voalohany tany amin'ny studio Don Bosco Ivato. Fandraisana anjara
tamin'ny Noël Inédit nokarakarain'ny MADA VISION tao amin'ny Lapan'ny
Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina |
|
2000 |
Célébration du 35e anniversaire de la Chorale
Ambohitantely. Soirée conviviale à Behenjy Itaosy. Noël Internet à la paroisse Ambohitantely. Fankalazana ny faha-35 taona nitsanganan'ny Chorale Ambohitantely "Ary
eo ambany ny aloky ny elatrao no hiobiako" Sal. 63 7b Fanatanterahana
ny fiaraha-mikorana sy fisakafoanana tany Behenjy Itaosy. |
|
2001 |
Participation à l'émission télévisée "Tena tsara Ianao" de la chaîne privée MaTV. Création du site WEB. Fandraisana anjara ny fandaharana "Tena tsara ianao" tao amin'ny Ma-TV. Fanaovana ny pejy WEB
-ny Chorale Ambohitantely |
Fifaliana ho an’ny Chorale Ambohitantely ny nanokafana ny pejy WEB hahafantarana indrindra ny zava-misy ao aminy. Ny faniriana dia ny hitohizan'ny ezaka, sy ny hanarahan'ireo zandry, tapaka sy namana, amin'ny fanokafana ny anjarany ihany koa. Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.